Alatsinainy Mainty

> Tokony haverina ny volan’ireo niharam-boina


  • Alatsinainy 27 Janoary 2014

Tantara tsy hay kosehina amin’ny tantaran’i Madagasikara ny zava-nitranga teo amin’ny firenena tamin’ny 26 janoary 2009. Dimy taona katroka tokoa izay, nirehitra ary may kila hotohoto ny tanŕna, narahina fandrobana sy famotehana fananam-bahoaka sy orinasa maro.

Tena lasibatra tamin’izany ny orinasa malagasy, toy ny TIKO sy MAGRO izay nampiasa Malagasy maro nanerana ny Nosy. Setroka mainty no nandrakotra ny lanitr’i Gasika ary dia ny “Alatsinainy Mainty” no tandindona tavela mandraka ankehitriny.

Nanomboka tamin’iny 26 janoary 2009 iny ny tantaran’ny fandrobana be ankarihary teto Madagasikara. Tsy nijanona teo ilay izy fa nitatra hatrany amin’ny boaderozy sy ny asa fampihorohoroana tsy manam-piafarana mandraka ankehitriny. Raha nanao lahateny voalohany anefa ny filoham-pirenena vaovao, Hery Rajaonarimampianina taorian’ny nandraisany ny fahefana feno, ny sabotsy 25 janoary teo teny Mahamasina, dia nilaza fa “tsy hanao hazalambo” ny taloha. Inona no tiany hahatongavana ? Havela ho vitavita ho azy ve izany iny “Alatsinainy Mainty” iny, izay tena nampandohalika ny toekarena Malagasy noho ny fahapotehan’ny orinasa maro sy fahaverezan’asa naterany sa hisy fanonerana ara-bola ? Efa nisy rahateo ny fampanantenana nataon’ny mpitondra ny tetezamita teo aloha ny hanonerana ireo niharam-boina tamin’iny raharaha iny, nefa hatramin’izao tsy nisy ny famerenam-bola na dia tsy sasatra mamerina ny antso avo ny tokony hijerena azy ireo aza ireo niharam-boina. Manantena ireto farany fa misy mandre ny antso vonjin’izy ireo, tsy olom-baovao rahateo fa mpitondra tao anatin’ny tetezamita ihany, ary mahalala tsara ity dosie ity Atoa Hery Rajaonarimampianina, izay mitondra ny firenena amin’izao ary miezaka ny hampiray. Tokony hanao hetsika araka izany ny fanjakana na dia marika kely fotsiny ihany aza, satria dia niaraha-mahita ny fahavoazana fa lafo dia lafo.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT