Alain Mahavimbina

> Hiverina ho mpandraharaha


  • Alarobia 27 Novambra 2013

Anio amin’ny 10 ora no hatao ny famindram-pitantanana eo amin’Atoa Alain Mahavimbina lehiben’ny Faritra Atsinanana teo aloha sy Atoa Talata Michel vao notendren’ny fitondrana tetezamita hisolo toerana azy.

Nisy ny resaka nifanaovan’Atoa Mahavimbina Alain tamin’ny mpanao gazety tao amin’ny birao fiasany, nanaovany tatitra amin’ny ankapobeny ny momba ny efa-taona sy tapany nisahanany ny Faritra, nilazany fa tao anatin’ny fotoana sarotra no nandraisany ny fitantanana ny Faritra Atsinanana. Tsy niamboho adidy anefa ny tena satria sady teknisianina no mpanao politika, hoy izy, ka niezaka ny nandamina sy niara-niasa tamin’ny rehetra izay nahazoam-bokatra, na nisy aza tsy tanteraka na koa mety nanafintohina ny sasany. Notsiahiviny fa vola 16,8 tapitrisa Ariary no tao anatin’ny kitapom-bolan’ny Faritra raha nandray ny fitantanana izy ny 05 jona 2009. Mila vola 70 tapitrisa Ariary isam-bolana anefa ny Faritra amin’ny karaman’ny mpiasa fotsiny. Mamantana vola feno hisahanana ny fitantanana sy handoavana ny karaman’ny mpiasa ny lehiben’ny faritra vaovao. Nilaza i Alain Mahavimbina fa mpandraharaha izy talohan’ny nanendrena azy ho lehiben’ny Faritra Atsinanana, koa dia hiverina amin’izay tontolon’ny fandraharahana izay izy. Vonona mandrakariva anefa aho hanampy ny lehiben’ny faritra vaovao amin’izay itadiavany ny fanampiako, hoy izy. Mpiara-miasa taminy ihany Atoa Talata Michel, administratera sivily. Nisahana ny fitantanana ny lafintany hatrany ity farany, niara-niasa tamin’ireo lehiben’ny Faritra telo nifandimby tao, dia Atoa Randriamiarantsoa Barnest, Andriamorasata Julien, ary mbola nohamafisiko ny naha lehiben’ny lafintany azy, hoy hatrany i Alain Mahavimbina.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT