Akamasoa

> Hanangana oniversite


  • Alatsinainy 02 Desambra 2013

Ny fanovana tanteraka ny fiainan’ireo olona sahirana ara-pivelomana no tanjon’ny fikambanana Akamasoa tantanin’ny Mompera Pedro.

Ankoatra ny fanomezana asa sy trano ireo fianakaviana nivelona tamin’ny fako teny Andralanitra dia nanome lanja ny seha-panabeazana koa ity fikambanana ity. Vao nahavita lisea vaovao indray mantsy ry Mompera Pedro. Eny Manantenasoa no misy ity lisea vaovao ity izay misy rihana roa. Mahazaka mpianatra 400 ny fotodrafitrasa izay efa miasa amin’izao. Mpiara-miombon’antoka avy atsy La Réunion no niantoka ny enti-manana nananganana ilay sekoly. Nilaza ity relijiozy ity nandritra ny lanonam-pitokanana ny sabotsy teo fa any an-tsekoly, mianatra sy mahazo fanabeazana no toerana sahaza ny ankizy fa tsy mirenireny aty an-drenivohitra na koa mitsipona fako. Efa mihoatra ny iray alina moa ny isan’ny mpianatra eo anivon’ny Akamasoa amin’izao. Tanjona manaraka ny fanorenana Oniversite handray ireo ankizy mahavita ny ambaratonga faharoa ao aminy.

 Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT