Actualités

AGOA 2012 Tsy nahafeno ny fepetra i Madagasikara


  • Alarobia 04 Janoary 2012


 Ny fehezan-dalàna momba ny AGOA dia manome alalana ny Filohan’i Etazonia hitanisa izay firenena ekena handray ireo tombontsoa ao anatin’ny AGOA raha toa ka hita fa nahapetraka ny fepetra na hita fa manao ezaka tsy tapaka hametrahana izany. Ireto avy izy ireo : toekarena miorina amin’ny tsena, fanjakana tan-dalàna ary fisian’ny firehana maro ara-politika, fanafoanana ireo sakana ho an’ny varotra sy fampiasam-bola ataon’i Etazonia, fiarovana ny fananana ara-tsaina, fiezahana hiady amin’ny kolikoly, politika hampihenana ny fahantrana, fanatsarana ny fitsaboana sy fanabeazana, fiarovana ny zon’olombelona sy ny zon’ny mpiasa ary famongorana ny endrika fampiasana zaza tsy ampy taona. Isan-taona i Etazonia dia manao fanombanana ny firenena tsirairay voasoratra anarana ao anatin’ilay fehezan-dalàna, raha mbola mahafeno ny fepetra takiana ho an’ny AGOA izy ireo na tsia.

Hatramin’ny fiatombohan’ny krizy ara-politika tamin’ny volana martsa 2009 dia tsy nahafeno ny fepetra takiana saika amin’ireo sehatra rehetra ireo ny zava-bitan’i Madagasikara. Ho an’ny taona 2012 dia firenena Afrikanina miisa efa-polo no notondroin’ny Filoha Barack Obama hahazo ireo tombontsoa ao anatin’ny AGOA. Anisan’ireo nanjary tafiditra ao anatin’izany ny firenena sasany vao niroso ho amin’ny demokrasia, toa an’i Côte d'Ivoire, Niger ary Guinée. I Madagasikara kosa dia tsy nahafeno ireo fepetra mikasika ny ezaka ataon’ny firenena iray hiarovana ny zon’olombelona, hitandroana ny fanjakana tan-dalàna ary hiadiana amin’ny kolikoly. Arahin’i Etazonia maso akaiky hatrany ny fivoatry ny toe-draharaha eto Madagasikara.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT