Nialoha ny nandaozany an’i Madagasikara, omaly, taorian’ny nanatrehany ny fianianan’ny filoha Hery Rajaonarimampianina dia mbola nihaona tamin’ny minisitry ny raharaham-bahiny mpisolo toerana Andriantiana Ulrich, i Marius Fransman minisitra lefitra Afrikanina tatsimo misahana ny raharaham-bahiny.
Nivoitra tamin’ny resaky ny roa tonta fa taorian’ny fiverenan’i Madagasikara amin’ny ara-dalàna dia hanamafy orina ny fiaraha-miasany amintsika i Afrika Atsimo. Tena hisandrahaka amin’ny sehatra rehetra ny fiaraha-miasa, hoy i Marius Fransman ary hafonja kokoa noho ny efa nisy hatramin’izay. Mbola hiatrika ny fifidianana faobe anefa ny atsy Afrika Atsimo ka noho izany dia afaka telo volana eo ho eo vao tena hiverina ny fiaraha-miasa. Tsara homarihana fa nandritra ny famahana ny krizy vao tena nisongadina teo amin’ny fifandraisana ara-diplaomatika tamin’i Madagasikara i Afrika Atsimo, na dia nisy ihany aza ny endri-piaraha-miasa maro samihafa teo aloha. Nitana anjara toerana lehibe tamin’ny fandrafetana ny tondrozotra sy ny fandresen-dahatra ny mpifanandrina tamin’ny krizy mba hiaraka hanasonia izany i Afrika Atsimo, ary na ingahy Marius Fransman aza dia efa nanomboka nahazo volon-tany teto mihitsy tahaka ireo dilpaomaty Mozambikanina. Midika izao hazakazaka ara-diplaomatika andro vitsy taorian’ny nametrahana an’i Hery Rajaonarimampianina izao fa tena mahatsapa ny harena be misy eto Madagasikara i Afrika Atsimo ka tsy hitazam-potsiny intsony fa mba hikaroka izay mety ho tombontsoa azony eto ihany koa manomboka izao.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.