Actualités

Afera 2009 Hotsaraina ny raharaha baomba sy dosie Viva


  • Alatsinainy 21 Novambra 2011

Tsy miady tsy miady fa ny kibay an-kelika ihany ! Izay no mahalaza ny trangan-javatra miseho tato ho ato.

 Na eo azy mantsy ny tondrozotra izay efa an-dalana ny fampiharana azy dia fantatra izao fa dia handalo fitsarana indray ireo dosie politika tamin’ny 2009 ireny. Hotsaraina amin’ny 23 novambra ho avy io ny raharaha baomba. Misy amin’ireo voakasik’izany no voatana any Tsiafahy efa roa taona mahery izao ny ankamaroany, misy ny eny Antanimora, ny hafa kosa efa anaty fitondrana amin’izao fotoana, misy amin’ireo farany anefa no voatonona ampahibemaso mihitsy ho atidoha nikotrika ireny baomba natao tanana ireny. Ireo mbola any am-ponja no hiakatra fitsarana amin’ny alarobia ho avy izao, fa ireo anaty fitondrana kosa dia efa kaotiny “madio” ny amin’izy ireo. Efa nahazo fampahafantarana mikasika izany ireo voakasika. Mialoha io no hitsarana ny “Radion’ny Gasy”. Hotanterahina amin’ny tapaky ny volana desambra kosa ny andiany faharoa amin’ny resaka baomba sy ny fitsarana ny raharaha Viva izay nisian’ny fanafihana ny foiben-toeran’ity haino aman-jerin’i Andry Rajoelina ity teny Ambodivona tamin’ny jolay 2009.

Ny fitsarana io dosie Viva io koa no anisan’ny hanakatona ny taom-pitsarana 2011. Fahaleovantenan’ny fitsarana sa resaka politika no anton’ny hihazakazahana hanaovana ireo fitsarana ireo ? Raha itsy voalohany no antony, dia mampametra-panontaniana ny tsy nandaharana ny raharaha BANI sy FIGN hotsaraina amin’ity taona 2011 ity. Raha antony politika, dia mbola mampametra-panontaniana ihany koa hoe fa hampiharina sa tsia ny tondrozotra, izay milaza mazava ao amin’ny andininy faha-16 ny tokony hampitsaharana ny fanenjehana ara-pitsarana, hisian’ny fitoniana sy hampanjakana ny fandriampahalemana, sa tetika hanerena ny mpanohitra hanaiky ny terivaimantan’ny FAT indray ity ?

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

Hijery ny tohiny
FTT