Actualités

“Aéroport” Amborovy Karŕna saika hiondrana niaraka tamin’ny volamena 20 kilao


  • Talata 11 Oktobra 2011

Teo Amborovy, omaly tolakandro, ary nahita avokoa izay mpandeha fiaramanidina rehetra niandry teo, no nitrangan’ity fikasŕna hanondrana volamena ity.

 Karàna iray no sarona niaraka tamin’ny volamena milanja 20 kilao izay nafeniny tao anaty entany. Toa efa nahazo vaovao momba an’izany anefa ny mpitandro ny filaminana tao an-toerana. Rehefa natao ny fisavàna dia hita tokoa ilay volamena amin’ny kilao marobe. Noraim-potsiny ity Karàna ity ary tonga dia notazomin’ny mpitandro ny filaminana. Efa teo amin’ny fisavàna faramparanany vao sarona ity trafika ity. Heverina arak’izany fa efa nisy resaka mandry tany ho any. Na koa nisy ny tsy nahazo, toa izay matetika mitranga eny amin’ny seranam-piaramanidina, ka nivadika ary lasa nisambotra ilay mpanao afera.

Na izany na tsy izany aloha dia hita fa mitranga avokoa ny karazana trafika rehetra amin’izao fotoana izao. Taorian’ny fanondranana hazo sarobidy dia nivadika tany amin’ny vato sarobidy indray ireo mpanao ratsy. Niitatra tany amin’ny vato hafa toa ny “gypse” sy ny karazany maro. Voakasik’izany ihany koa ny fasimainty. Izao koa dia tonga hatrany amin’ny volamena no kasaina havoaka an-tsokosoko. Mazava be fa hanjakan’ny fanondranana tsy ara-dalàna ity fitondràna tsy marim-pototra ity

Samy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT