Disadisa tsy mbola nahitana vahaolana hatramin’izao ny ady tany miseho ao Miaramanjaka, Kaominina Manakambahiny Andrefana, Distrikan’Ambatondrazaka. Efa an-taonany maro no nifanolana ny olona iray tompon’ny tany sy ireo Fokonolona milaza fa nanajary ny velaran-tanimbary mirefy 100ha eo ho eo.
Niakatra fitsarana ny raharaha fa dia resy foana ireo ampahan’olona mibodo ny tany. Ireo mpitondra nifandimby dia samy niezaka nitady marimaritra iraisana kanefa tsy nanaiky izany mihitsy ireo Fokonolona. Herinandro vitsy lasa izay dia nidina tany an-toerana saika hanatanteraka ny didim-pitsarana ny mpitandro ny filaminana mivondrona ao anatin’ny OMC. Rehefa tonga anefa izy ireo dia ambony dia ambony ny maripana ka nihemotra ary tsy notanterahina ilay didy. Rehefa nifandinika indray taty aoriana ireo mpitandro ny filaminana niaraka tamin’ny tompon’andraiki-panjakana dia tinapaka fa ny alatsinainy 4 novambra 2013 no tsy maintsy hampiharina ny didy hanamborana ireo olona mampisavorovoro ny fampiharana didy ho fanomezana ny tany amin’ny tena tompony. Vao tonga tao Miaramanjaka ny mpitandro ny filaminana dia niezaka nanambara tamin’ny Fokonolona ny anton-dian’izy ireo. Nanohitra izany ny Fokonolona ka namoaka kalaza sy antsy maranitra. Mpitandro ny filaminana iray no saika voafira antsy. Nanomboka teo dia raikitra ny fisamborana sy ny fifanjevoana. Voatery nanapoaka basy ny mpitandro ny filaminana mba hanaparitahana ny olona. Nisy tamin’ireo Fokonolona no nanambara fa bala fotsy fa ndao hotoherintsika. Raikitra ny sakoroka ary nihamafana ny toe-draharaha vokatr’izany ka olona iray lavon’ny bala ary iray hafa naratra. Efa nandray ny andraikiny manandrify azy ny lehiben’ny vondrontobim-paritry ny zandarimaria Alaotra Mangoro, ny kolonely Mahefa tamin’ny alalan’ny fitondrana ny razana any amin’ny fianakaviany. Fantatra fa omaly dia efa tony tanteraka ny toe-draharaha any an-toerana.
Niry A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.