Tokony ho nandalo ny mpitsara misahana ny ady maika ity ady tany ifanolanan’ny vahoaka mivondrona anaty fikambanana FIT (Fikambanana Iray Trano) sy mpiasa iray ao amin’ny seranantsambo.
Vory maro teo anoloan’ny Fitsarana ireo vahoaka nefa nahemotra ho amin’ny 19 febroary izao indray ilay fitsarana ady maika. Mitaky ny hanalana ny antontan-taratasin’ady amin’ilay mpitsara misahana ny raharaha ny mpikambana FIT, noho io mpitsara io ambaran’izy ireo fa manana rohim-pihavanana akaiky amin’ny olona mifampitory amin’izy ireo eny amin’ny fitsarana. Nomarihan’ireto mpikambana FIT ireto fa “tsy hisy ny fahamarinana raha mbola io mpitsara io no mihazona ny antontan-taratasy sy hamoaka ny didy”. Ny fidiran’ireto Fokonolona ireto tao anatin’ny tanin’ny seranantsambon’i Toamasina ao Betainomby no niandohan’ny olana. Raha nojerena ny “Certificat Juridique” dia mbola an’ny fanjakana Malagasy madiodio ity tany mampifanolana ity, izaymirefy 4ha – 56a - 40sa ary manana ny “Titra N: 5975-BA”, araka ny antontan-taratasy eo anivon’ny fananantany. Ho fiarovana ny tany efa nomaintisin’izy ireo molaly an-taonany maro, dia efa napetraka ny fanoherana ny fakana ny tany ny jona 2013 teo anivon’ny biraon’ny fananan-tany, ny faritra atsinanana, ny distrikan’i Toamasina II ary ny minisiteran’ny fanajariana ny tany. Efa nahazo taratasy teo anivon’ny Kaominin’i Toamasina Suburbaine milaza ny maha mponina azy ireo (certificat d’occupation) amin’ny tany ihany koa izy ireo. Ankoatra izay, dia miisa 100 ireo mpikambana eo anivon’ny fikambanana FIT, ary fikambanana 20 koa no mivondrona miaro ireto vahoaka ireto amin’izao olana ara-pitsarana izao.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.