Ady noho ny voka-pifidianana

> Roalahy nifamono tao anaty taksiborosy


  • Alakamisy 26 Desambra 2013


Niakatra ny maripana afak'omaly tamin'iny lalam-pirenena fahafito iny, satria samy tsy nisy nety gisitra sy nanaiky lembenana. Gaga ny mpandeha hafa tamin’ilay taksiborosy mampitohy an’i Toliara sy Sakaraha satria niady nifamono tsy nety nosarahana mihitsy mpandeha roa tao anatin’ity fiara ity, noho ny ady momba ny voka-pifidianana. Voatery najanona hatramin’ny fiara mihitsy. Nivadika ho fifandirana sy fikasihan-tanana ny fifamaliana vokatry ny voka-pifidianana. Ny iray tsy nahatsindry fo, voatifitra totohondry aza, saika haka antsy hanindrona ny namely azy. Samy manana kandidà tohanany tamin’ny fifidianana farany teo izy mirahalahy ireto. Tsy nitovy ny fomba fijery satria nanao hala-bato manara-penitra hono ny andaniny, ka samy niakatra afo. Samy nilaza ho vonona hiaro ny safidiny hatramin’ny farany izy mitsamy ireto.

 

E.R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT