Ady amin’ny trafika “bois de rose”

> Resaka sy fampanantenana no betsaka


  • Alatsinainy 30 Desambra 2013

Ny omaly tsy miova !

Nambaran’ny tomponandraikitra tamin’izay fotoana izay fa hatao hazalambo ireo olona na andian’olona manondrana an-tsokosoko ny “bois de rose”, sokatra, ny tsy fanarahan-dalana amin’ny fifidianana filoham-pirenena sy solombavam-bahoaka, ny famerenana amin’ny laoniny ny fandriam-pahalemana ary ny tsy maintsy hampivondronana ireo mpandraharahan’ny fizahantany izay tsikaritra fa samy naka ho azy. Toa vao maika mitombo ary miroborobo anefa ny trafika “bois de rose” any amin’iny faritra Anôsy iny, ary misy tambazotra goavana mihitsy ao anatin’izany. Saika isan-tanàna, amin’iny tapany avaratry ny Distrikan’i Tolagnaro iny dia ahitana bolabola mivangongo eny amin’ny sisin-dalana, miandry mpaka. Ireo mpiandriaka manjono mampiasa laka lehibe indray no mitaona ny entana mamonjy ireo sambokely vitsivitsy efa miandry eny afovoan’ny ranomasina. Sehon-javatra tsy dia mampino kanefa misy. Mametra-panontaniana ny maro ankehitriny hoe mandrampahoviana no hijanonan’izany, ary mba ho tena fitiavan-tanindrazana marina no hibaiko ny tomponandraikitra isan’ambaratongany.

Natiora OTH

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT