Ady amin’ny kolikoly

> Manana paikady mazava Dr Robinson Jean Louis


  • Alatsinainy 09 Desambra 2013

Marihina amin’ity alatsinainy 9 desambra ity ny andro iraisam-pirenena hiadiana amin’ny kolikoly.

Manan-kambara momba izany indrindra ny kandida Dr Robinson Jean Louis. « Tsy mahagaga ahy fa araka ny antontan’isa farany navoakan’ny mpandinika iraisam-pirenena miady amin’ny kolikoly, dia mitana ny laharana faha-127 amin’ny firenena miisa 177 i Madagasikara ary very laharana 47 isika tao anatin’ny efa-taona. Porofo mitohoka amin’ny tenda nataon’ny fitondrana ankehitriny izany ary midika ihany koa fa mila fanarenana haingana. Ny kolikoly sy ny fitiavan-tena raiki-tampisaka no tena lova napetrak’i Andry Rajoelina sy Hery Rajaonarimampianina ». Mahitsy ny tenin’ny Dr Jean Louis Robinson fa «ny kolikoly dia fangalarana atao amin’ny vahoaka». Hentitra ny kandida laharana faha-33 amin’ny bileta tokana nilaza fa : “tsy maintsy mandrava ny fomba fanao taloha toy ny kolikoly sy ny kitranoantrano isika ary hamerina an’i Madagaasikara amin’ny fahamarinana, fangaraharana ary fandrosoana. Raha tsy izany dia hihisatra ny fandrosoana ara-toekarena satria dia tsy afaka ny hatoky izay olona mitondra ny firenena ny mpandraharaha vahiny”. Mampanantena aho, hoy ny kandida Robinson Jean Louis fa ny governemanta hotarihiko dia hanao ho laharam-pahamehana ny ady amin’ny kolikoly. Hatsangana indray ireo rafitra efa nisy teo aloha (ny fanavaozana ny fitantanam-bola, BIANCO, ARMP ary ny SAMIFIN) izay napetraka teo anelanelan’ny taona 2002 sy 2008 mba hiadiana amin’ny kolikoly, hamerenantsika miaraka an’i Madagasikara amin’ny laza tsarany teo aloha.

 

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison FĂ©lix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT