Actualités

Ady amin’ny herisetra mahazo ny vehivavy Entanina manokana ny lehilahy


  • Zoma 01 Jolay 2016

Mitombo hatrany ny salan’isan’ireo vehivavy hiharan’ny herisetra eto amintsika, indrindra fa ireo monina amin’ny faritra iva.

 Voakasik’izany ny Fokontany Andavamamba Anjezika izay handraisana fitarainana telo isan’andro raha kely indrindra. Mba hahafahana mandrindra ny fiainana ao an-tokantrano, indrindra ho fampandraisana anjara ny lehilahy dia teraka eto amintsika,  hiasa amina Fokontany miisa 10 sy “Cellule d’écoute” miisa dimy eto an-drenivohitra ny tetikasa SAHALA. Omaly no nampahafantarana azy io tamim-pomba ofisialy, tetikasa vaovao karakarain’ny ONG  C for C sy ny Fikambanana Jeudi. Tanjon’ny fikambanana ny hiady amin’ny herisetra mahazo ny vehivavy ka hanentanana ny lehilahy mba handray anjara mivantana amin’izany raha eo ihany koa ny fisorohana ny fanasaziana ireto farany. Raha ireo vehivavy hiharan’ny herisetra hatrany mantsy no horaisina an-tanana raha araka ny fanazavan-dRamamonjisoa Mampionona, tompon’andraikitra ny serasera ao amin’ity tetikasa ity dia tsy hihena mihitsy ny tahan’ireo vehivavy lasibatra satria tsy voakitika ny lehilahy. Tsiahivina moa fa misy ihany koa ny fampahafantarana ny lehilahy ny resaka kolontsaina mandritra izany, ao anatin’ilay teny filamatra manao hoe : mitovy fa tsy sahala ny lehilahy sy ny vehivavy, ny lalàna toy ny famonjana azy ireny folo taona an-trano maizina sy ny lamandy 1 tapitrisa Ar raha toa ka mamono vehivavy.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • RAISSA RAZAIVOLA
  • Talata 03 Novambra 2026

Tazonina eny Fiadanana

  • 160 taona
  • Talata 03 Novambra 2026

nisian’ny gazety malagasy

  • Voasambotra noho
  • Talata 03 Novambra 2026

ny afera Kolonely Patrick

  • Diplaomasia,
  • Talata 03 Novambra 2026

fambolena, VISA,...

  • TSARAHONENANA
  • Talata 03 Novambra 2026

BEFANDRIANA

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

Hijery ny tohiny
FTT