Actualités

Ady amin’ny herisetra amin’ny vehivavy Tokony hanana drafitra matipaika ny fanjakana


  • Alarobia 30 Novambra 2011

Maherin’ny 3.000 ireo mpandray anjara tamin’ny “Diabe Fotsy”, omaly, nanentanana ny daholobe hampitsahatra ny herisetra atao amin’ny vehivavy sy ny ankizivavy notontosaina nanodidina ny kianjan’i Mahasimasina ary nofaranana tao amin’ny kianja mitafo.

 Ny firotsahan’ny tanora mpitarika amin’izany ady izany no lohahevitra nobanjinina tamin’ity taona ity. Nanaovana antso manokana, araka izany, ny tanora sy ny fikambanana tanora mba samy handray anjara amin’ny sehatra misy azy avy. Nambaran’ny mpandrindra ny Firenena Mikambana eto Madagasikara, Rtoa Fatma Samoura fa tanjona ezahan’ny Firenena Mikambana tratrarina hatramin’ny taona 2015 ny hamoahan’ny firenena tsirairay avy lalàna manasazy ny herisetra amin’ny vehivavy, ny fananan’ny fanjakana manerantany drafitrasam-pirenena amongorana azy, fanangonana ka anaovana tahirin-kevitra momba ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy ary ny fanehoan’ny mpitondra fahavononana hiady aminy. Ny PDS-n’ny Kaominina Antananarivo, Razafindravahy Edgard, kosa dia nanamafy fa ny fampijaliana amin’ny endriny rehetra mihitsy no mila fongorina ka nanaovany fanentanana. Nambarany fa tsy ny vehivavy na ankizy ihany no iharan’ny herisetra fa na ny lehilahy koa aza.
Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT