Actualités

Ady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro Hahazoana vola be


  • Zoma 01 Jolay 2016

Lany teny amin’ny fivoriambe nataon’ireo solombavambahoaka teny Tsimbazaza ny alarobia 29 jona ny volavolan-dalŕna laharana

faha-023/2016 mikasika ny hanaovan-tsonia ny fifanarahana iraisam-pirenena COP 21 natao tany Paris momba ny lalàna lasitry ny firenena mikambana amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro maneran-tany. Nanaraka ny nataon’ireo firenena 196 efa nahavita sonia talohantsika isika nandany ity volavolan-dalàna ity, hoy ny minisitra Johanita Ndahimananjara miandraikitra ny tontolo iainana malagasy, ka afaka milahatra tsara amin’ireo firenena maneran-tany mikasika ity sehatra iray ity sady hananan’izy ireo fahatokisana momba izany. Marina fa hisy vola hirotsaka amin’ny kitapom-bolantsika amin’ny resaka fiarovana ny tontolo iainana amin’izany ka hoentitsika manatevina ny famokarana ataontsika mba hanomezana sakafo ireo tsy ampy izany. Misy koa ny hikarakarana ny fampianarana, ny rano fisotro madio … Hiankinan-javatra maro tokoa eo amin’ny fiainam-pirenena ity resaka fiovaovan’ny toetr’andro ity ka tsy maintsy mandrindra izany koa isika Malagasy mba hisorohana izay zava-doza mety hitranga any aoriana any sanatria.

NtsoavinaEvariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • RAISSA RAZAIVOLA
  • Talata 03 Novambra 2026

Tazonina eny Fiadanana

  • 160 taona
  • Talata 03 Novambra 2026

nisian’ny gazety malagasy

  • Voasambotra noho
  • Talata 03 Novambra 2026

ny afera Kolonely Patrick

  • Diplaomasia,
  • Talata 03 Novambra 2026

fambolena, VISA,...

  • TSARAHONENANA
  • Talata 03 Novambra 2026

BEFANDRIANA

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

Hijery ny tohiny
FTT