Vonona hifanome tanana amin’ny fokonolona sy ny mpitandro ny filaminana ny mpanao kung fu ary tonga rehefa antsoina na andro na alina, hoy ny Maitre Avoko
nandritra ny fihaonany tamin’ny lehiben’ny distrikan’Andilamena sy ny zandary ary ny polisy ao an-toerana. Azo nanaporofoana izany sahady ny zava-nitranga tao Bejofo, distrikan’Ambatondrazaka ny zoma lasa teo tokony ho tamin’ny 7 ora hariva. Niakatra an-tanàna ireo dahalo, velona ny antso vonjy. Nanome toromarika ireo mpanao kung fu 312 tao an-toerana nofaniny ny Maitre Avoko hanampy ny fokonolona. Raikitra ny fifanenjehana. Nitsoaka ireo dahalo fa tsy nahatohitra ny angaredon’ny fokonolona sy ny kung fu. Nantsoina haingana avy eo ny zandarin’i Vohidiala nanampy tosika, koa dia tsy afaka nanatanteraka ny asa ratsiny ireo dahalo. Nisy moa ny fokonolona naratra nandritra izao fifandonana izao noho ny nitifitra nataon’ny malaso, tsy nisy kosa ny aina nafoy. Nanamarika ny Maitre Avoko fa anisan’ny fanamby napetraky ny mpanao kung fu tamin’ny filoham-pirenena ny fandraisana andraikitra sy fifanomezan-tanana amin’ny fametrahana ny fandriampahalemana manerana ny nosy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.