67 Ha Atsimo

> Misy manorina trano eo amin’ny “Sehatra Maitso”


  • Alatsinainy 03 Febroary 2014

Fanovana ratsy iray nentin’ny fitondrana tetezamita ny fahasimban’ny firaisankina teny anivon’ny fiarahamonina. Ankoatra ny firongatry ny tsy fandriampahalemana dia tena nanjaka ny tsy fanarahan-dalŕna sy ny gaboraraka. Anisan’izany, ohatra, ny fanorenana fotodrafitrasa tsy nahazoana alalana tamin’ny sampandraharaham-panjakana mahefa isan-tsokajiny.

Ny zavatra tsapa sy hita maso aloha dia maro tokoa ireo fananganana trano manenika ny tanànan’Antananarivo Renivohitra tao anatin’izay dimy taona tsy nisy fanjakana tan-dalàna izay. Tranga iray manamarina izany ny zava-misy eny amin’ny Fokontany 67 Ha Atsimo. Fotodrafitrasa telo be izao mantsy no indray niorina tao anatin’ny fotoana fohy teo amin’ilay sehatra maitso nifanarahan’ny mponina fa tsy azo anorenana izany taorian’ny fivoriambem-pokonolona, taona vitsy lasa izay. Tsy nipetra-potsiny moa ny Fokonolona fa nanohitra avy hatrany ny fananganana nataon’ireo nanitsaka ny fifanarahan’ny daholobe teny anivon’ny Fokontany saingy tsy sahy nandray andraikitra ireo mpitantana. Nampiakatra ny raharaha teny anivon’ny Kaominina indray ny Fikambanan’ny mpiray tanàna fa tsy nisy tohiny izany. Rehefa nisy kosa ny fiaraha-miasa tamin’ireo vadintany dia tonga teny am-pelatanan’ireo tompon’andraikitra mahefa ihany ny taratasy fitarainana napetraka ka nidina nijery ifotony ireo iraka avy amin’ny mpitantana ny renivohitra izay nilaza fa tsy nahazoan-dalana ireo fanorenana ireo. Nisy avy hatrany ny fanakanana ny fanohizana ny asa fanorenana niaraka tamin’ny fampitandremana ny tompon’ny fotodrafitrasa tsy ara-dalàna avy amin’ny Kaominina. Toa tsy nisy akony anefa izany satria ny faran’ny herinandro teo indray dia ny andrim-pifandraisan’ny orinasa Telma no nafindra toerana noho ny firoson’ny asa fanorenana. Fanontaniana telo no iandrasan’ny Fokonolona valiny ankehitriny amin’ireo tompon’andraikitra mahefa dia ny fomba nahazoan’ireo olona ireo ity toerana natokana ho tombontsoan’ny besinimaro ity sy ny hoe avy aiza marina ny alalana nahafahana nanorina ireo trano ireo raha misy ary ny fahatelo farany dia inona no andraikitry ny mpitondra ifotony amin’ity raharaha ity ? Mino sy manantena ny mponina ao amin’ny Fokontany 67 Ha Atsimo fa hivaha haingana izy ity satria sady miharatsy ny filaminana eny an-toerana no simba ny tontolo iainana noho ny rano mihandrona. Tantara mitohy.

 

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT