Actualités

50 miliara Takalon’ny bizin’ny Sinoa


  • Zoma 01 Jolay 2016

Ny alatsinainy 20 jona no nihetsika ny vahoakan’i Soamahamanina, nidina an-dalambe ary nanohitra tanteraka ny fitrandrahana volamena kasain’ny Sinoa atao any an-toerana.

 

Tsy azo ekena ny famotehana ny tanindrazanay, hoy izy ireo. Niroso tamin’ny asa ihany anefa ny Sinoa ary nisy ny solontenam-panjakana nanatrika ny lanonana ho fanombohana izany. Mihamafy hatrany ny fitakiana ary maro no sosotra amin’ity resaka ity.

Volabe misy tambiny

10 andro aty aoriana, tonga tampoka eto Madagasikara ny delegasionina Sinoa tarihan’ny minisitra lefitra misahana ny varotra Qian Keming ary nanambara avy hatrany fa hanome 50 miliara ariary an’i Madagasikara i Chine, vola tsy averina izy io ary voalaza fa hanamboarana fotodrafitrasa vaovao ho an’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny sy hanatanterahana fandaharanasa miompana amin’ny fahasalamam-bahoaka sy fanabeazam-pirenena ary fanampiana ny Bngrc. Efa vita sonia omaly teny amin’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny Anosy ny fifanarahana momba azy io. Milaza fa mbola vonona hanampy an’i Madagasikara amin’ny fampandrosoana ny sehatry ny toekarena miaraka amin’ny lafiny sosialy ihany koa ry zareo Sinoa. Noraisin’ny filoha Hery Rajaonarimampianina teny Iavoloha avy eo ireto delegasionina Sinoa ireto ary hita ho nifankahazo tsara ny resaka teny an-toerana, faly ny filoha fa nahazo vola be avy amin’ny mpiara-miasa, hono. Mipetraka ary eto ny fanontaniana manao hoe :io 50 miliara ariary io ve izany no karazana tampi-maso na takalon’ny fitrandrahana volamena ataon’ny Sinoa any Soamahamanina ? Sarotra inoana ihany mantsy izany hoe hanome vola am-polony miliara ariary maimaimpoana izany ny Sinoa izay fantatra tsara fa henjana amin’ny resaka fandraharahana sy ny fikarohana ny tombontsoany manokana. Efa iaraha-mahita isan’andro ihany koa ny toetran’ireo mpivarotra sy mpandraharaha Sinoa eto amintsika izay tena misetrasetra sy manambany malagasy tokoa. Tranga izay toa manaporofo indray izao fa tena efa mirona amin’ny famarotana tanindrazana mba hahazoam-bola hafa fiaviana ny mpitondra satria tampina ny daomy any amin’ireo mpamatsy vola mahazatra.

Ramano F sy RTT


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • RAISSA RAZAIVOLA
  • Talata 03 Novambra 2026

Tazonina eny Fiadanana

  • 160 taona
  • Talata 03 Novambra 2026

nisian’ny gazety malagasy

  • Voasambotra noho
  • Talata 03 Novambra 2026

ny afera Kolonely Patrick

  • Diplaomasia,
  • Talata 03 Novambra 2026

fambolena, VISA,...

  • TSARAHONENANA
  • Talata 03 Novambra 2026

BEFANDRIANA

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

Hijery ny tohiny
FTT