«Tsy hiamboho adidy aho Mon Général», hoy ny kolonely Ratsimandrava Richard ny 05 febroary 1975 raha natolotry ny jeneraly Ramanantsoa Gabriel azy ny fahefana feno hitantana ny firenena.
Feno 39 taona katroka omaly alarobia 05 febroary 2014 tokoa io fehezan-teny manan-danja teo amin’ity mahery fo malagasy sahy nandray andraikitra ho fanavotana ny firenena ity ary tsy mety maty ao am-pon’ny mpiray tanindrazana maro ihany koa na dia fotoana fohy monja aza no nitondrany an’i Madagasikara. Nametraka rahateo ny fahatokisany tamin’ity manamboninahitra ambony teo anivon’ny Foloalindahy malagasy ny Vahoaka tamin’izany fotoana izany. Ny antony dia satria nanana politikam-pitantanana mazava nifototra tamin’ny fanomezana andraikitra ny rafitra eny ifotony dia ny Fokonolona ity minisitra nisahana ny Atitany tamin’izany ity. Ny kolonely Richard Ratsimandrava izay tsy nikely soroka nivoy sy nanentana ho fampivoarana sy ho fanomezan-danja ny Fokonolona. Nifanindran-dalana tamin’io ny fampandraisany anjara mivantana ny eny ifotony teo amin’ny seha-pihariana sy ny famokarana izay nampalaza ny Vaomieran’ny toekarena na ny VATOEKA.
Tsy tanteraka hatramin’ny farany anefa ity paikadim-pirenena miainga avy eny ifotony nandrandrain’ny taranaka faramandimby ity satria nosoparan’ireo fahavalom-pirenena ny fampandrosoana tiana hapetraka tamin’izany satria ny 11 febroary 1975 dia maty nisy namono teny Ambohijatovo ity zandary voatendry ho filoham-panjakana sady lehiben’ny governemanta ity. Maro amin’ny Malagasy mpiray tanindrazana no maniry ny te hahalala ny marina momba iny ampahan’ny tantaram-pirenena iny. Indrisy anefa fa karazan’ny raharaha tsy misy tohiny izy iny tahaka ny raharaha hafa rehetra taty aoriana toy ny 10 aogositra 1990 teny Iavoloha, ny 26 janoary 2009 na koa ny 7 febroary 2009 izay nankalazaina manokana raha tsy naharenesam-peo kosa ny tena vokatry ny fanadihadiana ara-dalàna natao.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.