4x4 an’i Camille Vital

> Havoaka homena an’ireo depiote ?


  • Alakamisy 09 Janoary 2014


Nampisy resaka be teto Madagasikara ny mahakasika ireo fiara 4x4 marika Hyundai Santafe nohafaran’ny tranombarotra “JP Trading”, izay saika nomena nampiasain’ny kandida Jly Camille Vital hanaovan’ity farany fampielezan-kevitra avy eo nampanantenaina fa hatolotra ny mpitandro ny filaminana hametrahana fandriampahalemana eto amin’ny firenena. Hatramin’izao anefa, noho ny fingampingana politika, dia mihitsoka eo anivon’ny seranantsambon’i Toamasina ireto fiara miisa 350, na zon’ny tompony aza no maka ny fananany. Ankehitriny, misy loharanom-baovao milaza fa kasain’Ambohitsorohitra halaina ireto 4x4 ireo, mba homena ireo depiote ho lany eo. Mbola io loharanom-baovao io ihany koa anefa no milaza fa raha vao nahare io fikasan’Ambohitsorohitra io ny tompon’ny fiara dia nanankina azy ireo amina kandida filoham-pirenena iray niatrika ny fihodinana faharoa teo, ka ity farany no mandinika ny tokony hatao ireo fiara miisa 350 ireo. Ny ampitso, araka izany, no hilaza ny tohin’ity raharaha ity.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT