Actualités

12 desambra 2011 Feno 62 taona i Marc Ravalomanana


  • Alatsinainy 12 Desambra 2011

Feno 62 taona amin'ity alatsinainy 12 desambra 2011 ity Atoa Marc Ravalomanana, filoha lanim-bahoaka kanefa dia naongan’ny sasany teo amin’ny fitondrana, telo taona lasa izay, ary dia lasa sesitany any Afrika Atsimo.

 Mpandraharaha no nahafantarana azy tany am-boalohany satria dia izy no anisan'ny Malagasy voalohany nanangana orinasa goavana amin'ny sehatry ny fanodinana ny ronono, ary nahazo famatsiam-bola tamin'ny Banky Iraisam-pirenena. Tany amin'ny taona 80 tany, izany hoe nandritra ny Repoblika faharoa no nanorenany ny Tiko. Orinasam-pianakaviana izy io tany am-boalohany saingy efa nampiasa olona an'alina taty aoriana. Tamin'ny 1998 no nanapa-kevitra ny hiditra amin'ny politika i Marc Ravalomanana, ary dia voafidy ho Ben'ny tanànan'Antananarivo izy tamin'ny alalan'ny Tiako i Iarivo. Tsy niandry ela fa roa taona taorian'io dia nilatsaka hofidiana filoham-pirenena Ramose ary dia nandresy ny amiraly Didier Ratsiraka tamin'ny 16 desambra 2001. Nitranga ny olana noho ny voka-pifidianana. Nifampitaona isan'andro tamin'ireo mpanohana azy teny amin'ny Kianjan'ny 13 mey Atoa Marc Ravalomanana. Nandresy ny tolona ! Naka ny toerany amin'ny maha filoha voafidim-bahoaka azy izy ny 6 mey 2002. Fito taona latsaka kely no nitondrany an'i Madagasikara. Nahafantarana azy ny fomba fiteniny mahitsy sy mivantana, ny fahasahiana milaza ny tsy mety sy ny fahaizany mifampiraharaha amin'ny mpamatsy vola. Nandritra ny fitondrany no nahivatana lalana betsaka indrindra teto Madagasikara. Niezaka ny nametraka ny fanjakana tsara tantana ihany koa izy ary namaky ady amin’ny kolikoly ka nananganana ny Bianco. Nanome aina vaovao ny sehatry ny fampianarana izy, tao anatin’ny politika fanabeazana ho an’ny rehetra, ka nampisy ny “kits scolaires”.

Teo koa ny fampitaovana ireo vondrombahoakam-paritra sy fanofanana ireo Sefo Fokontany, Ben’ny tanàna eny hatramin’ny vehivavy avy amin’ny lafivalon’ny Nosy koa aza izay sambany no nisy izany teo amin’ny tantaran’i Madagasikara. Nampirisika ny hanatsarana ny fomba fambolena mba hahazoana vokatra bebe kokoa ary famokarana mitodika amin’ny tsena. Nanova zavatra maro teto Madagasikara i Marc Ravalomanana, ary tsy nahafaly ny olona sasany izany. Anisan'ny nanomezan'ny sasany tsiny azy, ohatra, ny nampiroborobo fatratra ny Tiko nandritra ny naha filoha azy. Voalaza ihany koa fa hafa dia hafa ny fomba fitantanany ny raharaham-panjakana, tsy dia tahaka ny nahazatra loatra, hany ka nisy tamin'reo manampahaizana sy teknisianina no sorena.

Anisan'ireo mpitondra tena nahay nampiasa ny serasera i Marc Ravalomanana ary tena nahay naka ny fon'ny olona tany ambanivohitra tokoa. Voalaza ihany koa fa anisan'ireo olona manankarena indrindra eto Madagasikara sy aty Afrika izy sy ny fianakaviany ary manana orinasa sy petra-bola maro any am-pita. Io serasera sy resa-bola io ihany anefa no fitaovana nandrodanan'ny olona azy tamin'ny 2009 dia izao izy mbola tavela any Afrika Atsimo izao. Raha ny tokony ho izy dia efa afaka mody an-kalalahana eto ny filoha Ravalomanana satria izay no voalazan'ny andininy faha-20 ao amin'ny tondrozotra. Mbola nampatsiahy ihany ny tsy maintsy ampiharana an'io farany teo ny CPS eo anivon'ny vondrona Afrikanina sy ny GIC-M. Atoa Ravalomanana ihany koa dia mbola nilaza ny sabotsy teo fa tsy azo ny fankatoavana iraisam-pirenena raha tsy tafaverina eto Madagasikara izy.


Hiavaka ity andro anio ity ho an’ny ankolafy Ravalomanana. Na dia tsy eto an-toerana aza mantsy Atoa Marc Ravalomanana tompom-pety dia hanamarika izany tsingerintaona izany amin’ny fomba miavaka ao Behoririka ireo Zanak’i Dada. Araka ny fanazavana dia hanomboka amin’ny 10 ora maraina ny fotoana ka hisy fanompoam-pivavahana hitrotroana am-bavaka ny filoha Ravalomanana sy ny ankohonany, aorian’izay ny fampisehoana iarahana amin’ireo artista mpiara-dia. Hisy koa kabary ifandimbiasana izay hofaranan’ny sekretera jeneralin’ny antoko Tiako I Madagasikara Mamy Rakotoarivelo izay sady filohan’ny Kongresin’ny tetezamita, ary hisy ny fifampizarana mofomamy. Natsangana mihitsy moa ny vaomiera manokana nanomana izao fanamarihana ny tsingerintaonan’ny filoha Marc Ravalomanana izao.
Nangonin’i Soa sy RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT