Actualités

08 martsa 2012 Samy maka ho azy ireo fikambanam-behivavy


  • Alakamisy 08 Martsa 2012

Samy manana ny fomba entiny hankalazana ny andron’ny vehivavy ny mponina ao Antsirabe ny andron’ny 08 martsa, anio.

 Raha ny fahitana azy dia tsy hita taratra ny firaisankina fa dia toa karazan’ny samy maka ho azy avokoa ireo fikambanam-behivavy misy ao Antsirabe satria na dia hetsika mitovitovy aza no atao dia samy manao ny azy. Any amin’ny Distrikan’i Mandoto, ohatra, no fankalazana rezionaly izay ny Faritra no mikarakara azy. Ny VVMV na ny Vehivevy Valo Martsa Vonona dia hiaraka amin’ny Minisitry ny Varotra Olga Ramalason ka ao an-drenivohitry ny Kaominina no hanao hetsika. Ny vady miaramila kosa dia hanao fitsidihina ny fonja anio maraina arahina fizarana fanomezana, ary ny kabinetra Raketamanga kosa dia hanomana seminera arahina adihevitra handrafetana tetikasa hampandrosoana ny vehivavy iarahana amin’ny Fokontany Tsarasaotra Antsirabe. Ireo no hetsika efa fantatra anio. Ho hita eo avokoa ny akon’ireo rehetra ireo. Ny irariana dia hitondra soa ho an’ny vehivavy tanteraka ny hetsika fa tsy ho kabary sy resaka fotsiny toy ny mahazatra.
Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT