Sport

Fanjakana Hvm Nampidirin’ny praiminisitra amin’ny kizo ?


  • Talata 15 Martsa 2016

Nantenain-kanirina sy hanala ny fahasahiranana ity ny fikambanana Dangote izay nampidiran’ny praiminisitra ny firenena kanjo atahorana hampivandravandra izy ankehitriny.

 


 “Rehefa tsy hety ny atao dia na ny ranon’ampango aza mety hisy voay”, hoy ny fomba fitenin’ny tanora ankehitriny. Nandritra ny diany farany tany Frantsa teo dia nankalazaina fa nahita mpiara-miombon’antoka tena matanjaka ny praiminisitra Ravelonarivo Jean hampiasa ny volany eto Madagasikara amin’ny fandraharahana famatsiana herinaratra sy sehatra maro. Anisan’ny voalaza fa vonona hampiasa ny volany eto Madagasikara ny fikambanana Dangote izay fanta-daza eran’i Afrika amin’ny fandraharahana. Andro vitsivitsy taorian’ny nanaovana ny fanambarana tokoa dia tonga teto Madagasikara ny Tale jeneralin’ity fikambanan’orinasa lehibe aty Afrika ity dia Atoa Serigne Aramine Mbacké. Nanao ny fitsidihana ara-pomba fifanajana hatreny amin’ny filoham-pirenena Rajaonarimampianina Hery izy. Izy no lehilahy manankarena indrindra aty Afrika araka ny fanadihadiana farany natao teo amin’ireo mpandraharaha afrikanina ary tanana an-kavanany io tonga teto Madagasikara io.

 Ankehitriny anefa dia misy vaovao tsy dia tsara ihany mivoaka amin’ny tranonkalan-tserasera any Afrika any momba ity tale jeneraly ity. Ny volana febroary ny taona 2014 dia nolazain-dRamatoa Oumy Thiam, mpandraharaha iray tamin’ny alalan’ny fahitalavitra 2STV tao anatin’ny fandaharana «Ca me dit mag» tamin’ny fomba mivantana fa nisoloky azy hatrany amin’ny 546 tapitrisa farantsa CFA ity tale jeneraly ity ary tamin’ny anarana hafa no nanaovany izany. Nitory ilay fahitalavitra sy ilay ramatoa ho nanala baraka azy Atoa tale jeneraly ary nahazo rariny teo anatrehan’ny fitsarana Senegaley izy ny 18 jona 2015.

Nahagaga anefa fa ny 19 janoary 2016 dia nosokafan’ny mpitsara zokiolona tany Senegal indray ilay raharaha ary nambara fa feno ny fepetra azo anenjehana ity tale jeneraly ity ho nanao fisolokiana.

Soa ihany fa tsy mbola nisy fifanarahana vitan’ny Malagasy tamin’ity fikambanana orinasa ity raha ny ofisialy. Mila manao fandihadiana ny mpitondra fanjakana mialoha ny hamatorana ny firenena iray manontolo, fa tsy maimaika fotsiny vantany vao mahita vola sy mpiara-miasa . Asa raha mba handray fepetra ny mpitondra malagasy na mbola  hangataka porofo hafa indray…

Andry Ratovo


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT