Fanalana mpivarotra,

fanajariana ny farihin’i Behoririka


  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Nangotraka ny fifandonana, tsy mihemotra ny CUA…

Raikitra ny savorovoro ny sabotsy hariva teo, nandritra ny hetsika fandravana ireo toeram-pivarotana tsy manara-dalàna manodidina ny farihin'i Behoririka, notanterahin'ny mpiasan'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA). Nisy andian'olona tsy nanaiky ny fanatanterahana izany ka niteraka fifandonana teo amin'ny roa tonta. Nampiasa baomba mandatsa-dranomaso ny mpitandro filaminana mba hifehezana ny toe-draharaha, raha nisy kosa ny fanoherana tamin’ny alalan’ny tora-bato mahery vaika sy ny sakana tamin’ny alalan’ny fandrehetana afo an-toerana. Tafiditra ao anatin'ny asa fanadiovana sy fanarenana ny farihin'i Behoririka izao hetsika izao, izay tanterahin'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ho fisorohana ny mety ho fiakaran'ny rano sy ny tondra-drano mandritra ny fotoam-pahavaratra. Efa voarava nandritra ny alin’ny sabotsy ireo tsena sy tranoheva rehetra manodidina ny farihy, araka ny nambaran'ny CUA. Nohamafisin'ny Kaominina fa tsy asa tsotra ny fanarenana ny farihin'i Behoririka, fa dingana lehibe hiarovana ny tanàna sy ny fananana iombonana amin'ny loza ateraky ny tondra-drano. Naneho fankasitrahana ireo mpivarotra sy mponina nanaiky ny fandaminana sy niara-niasa tamin'ny Kaominina ihany koa ny tompon'andraikitra, ka nanasongadina fa ny tombontsoa iombonana no tokony hatao lohalaharana. Ho fanomezana vahaolana ho an'ireo mpivarotra voakasiky ny fandravana, dia nanomana tsena vaovao eo Behoririka ampitan’ny CITIC, izay misy rihana telo ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Mahazaka mpivarotra hatramin'ny 800 eo ho eo ity tsena ity, ary natao hamindrana ireo mpivarotra miparitaka eny amin'ny sisin-dalana sy ny manodidina ny lakan-drano. Tanjona ny handaminana ny tsenan'i Behoririka, hanafoanana ny fivarotana eny amin'ny trottoir ary hamerina ny fahadiovana sy ny filaminana eny amin'ny manodidina. Nisaotra ireo tompon'andraikitra sy rafitra samihafa niara-nisalahy tamin'ny fanatanterahana ny asa ny CUA. Anisan'izany ny Prefektoran'Antananarivo Renivohitra, ny Lehiben'ny Faritra Analamanga mpisolo toerana, ny Lehiben'ny Distrika Tanà III, ny Polisim-pirenena, ny Zandarimariam-pirenena, ny Tafika Malagasy ary ny APIPA. Nandray anjara tamin'ny asa teny an-kianja ihany koa ireo sampan-draharaha samihafa eo anivon'ny Kaominina, indrindra ny Boriboritany fahatelo, ny Polisy Monisipaly, ny DTMU, ny SMA, ny DM ary ny Vondrona Mpamonjy Voina. Nambaran'ny Kaominina fa mbola dingana voalohany ihany izao ezaka izao, fa hitohy ny asa fanarenana sy fanatsarana ny farihy. Nohamafisiny fa ilaina hatrany ny fifampitokisana sy ny fandraisan'anjaran'ny tsirairay amin'ny fiarovana an'Antananarivo amin'ny tondra-drano. Miankina amin'ny fiaraha-mientan'ny rehetra, hoy ny CUA, ny fahombiazan'ny fandaminana sy ny fanatsarana ny tanàna ho madio sy milamina kokoa.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • SAKAFO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

OMENA NY MPIASA

  • Fandravàna
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

tsena eny Behoririka

  • Tafapetraka
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ny Fikamabanana Fanjiry Avaradrano

  • Olan'ny JIRO sy RANO
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Vahaolana ny angovo Nokleary

  • AMBOHIJATOVO AMBONY
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

Ho esorina amin’ny tranony ireo « 4-mi »

  • MINISTRY NY FAMBOLENA
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Tsy manaiky ny hanaovana

Hijery ny tohiny
FTT