Politique

Zanak’i Sud Est Lasibatra koa ny Ministra Mandehatsara


  • Talata 15 Febroary 2011

Taorian’ny lietna-kolonely Andrianasoavina Charles, ny ministra Noelson William dia fantatra fa miala any ihany koa amin’izao fotoana izao ny fanalana ny ministry ny Jono sy ny harena an-dranomasina, Mandehatsara Georget, ary dia efa andrasana kendritohina fotsiny izy amin’izany.

Mandeha ny feo fa tsy nanaja ny firaisankinan’ny governemanta ny ministra Mandehatsara tamin’ireny raharaha BANI ireny, ka nisamborana an-dry kolonely Charles sy manamboninahitra 15 hafa. Araka ny fantatra mantsy dia tonga nangataka fihaonana tamin’ny lietnà-kolonely Charles Andrianasoavina ny ministra Mandehatsara Georget raha mbola notanana natao fanadihadiana teny Ankadilalana itsy talen’ny FIS teo aloha. Tsy nijanona teo izany famangiana izany fa nitohy. Sady zanak’i Manakara rahateo izy roalahy ireto no samy miaramila tao amin’ny andiany in-dray mihira faha-19, nivoaka tao amin’ny Akademia miaramila Antsirabe.

Mitondra ny galona lietnà-kolonely rahateo i Mandehatsara Georget, izy voatendry ho ministry ny jono tamin’ny 24 mey 2010. Izay fitakosonany amin’ny lietna-kolonely Andrianasoavina Charles izay no fantatra fa anisan’ny antony lehibe mety hanesorana azy ao amin’ny governemanta. Loharanom-baovao hafa kosa no milaza fa manitsaka “plate-bande”-n’olona ambony ao amin’ny FAT ity ministra ity. Ho an’ny Tatsimo Atsinanana dia tetika avokoa izany mba hanilihana ny zanaky ny faritra mitana andraikitra ambony ao anatin’izao fitondrana FAT izao. Nampihazakazaka ny fanilihana rahateo ny fanambarana nataon’ny Tatsimo Atsinanana tao amin’ny La Rotonde mitaky ny hamoahana ny zanak’izy ireo any am-ponja. Ho hita eo ny tohin’ity raharaha ity.

Rakoto Maxime

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT