Politique

Zanak’i Dada Miandry an-dry Fetison eny an-kianja


  • Alarobia 09 Febroary 2011


Nampahatsiahy indray ny mpitolona tao amin’ny Magro Behoririka, omaly talata 8 febroary 2011, ny mpitari-tolona Olivier Rakotovazaha fa “tsy miala amin’ny fototra niaingana isika dia ny fikatsahana ny tetezamita tena izy, fivoahan’ny gadra politika rehetra, fiverenana ny Filoha lany ara-pomba demokratika roalahy an-tanindrazana”. Fanaovana z’inona ny vahoaka masimandidy ny fanomezana fahefana ny mpanongam-pajankana ary fahafaham-baraka ho an’ny tafika ny nahamay ny fananam-pirenena toy ny TVM sy RNM ary ny Lapa satria Repoblika i Madagasikara ka tokony ho narovana ireny fa taratry ny fiandrianam-pirenena, hoy izy.

Saika niompana tamin’ny fampitam-baovaon’ny zava-nisy teny amin’ny fitsarana Anosy omaly maraina kosa ny ankabeazan’ny hafatra sisa. “Am-pahendrena sy am-pitiavana no hijoroantsika eny Anosy rahampitso (anio alarobia) amin’ny fivoahan’ny didim-pitsarana ary enga anie hikabary eto Behoririka ry Fetison rahampitso”, hoy ny Depiote Rodin. Nanamafy ary nisaotra ny fahendrena nasehon’ny vahoaka teny Anosy ny Depiote Mektoub.

 Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT