«Tsy nahomby ny fifampiraharahana», hoy ireo filoha telo mirahalahy dia i Didier Ratsiraka, Marc Ravalomanana ary Albert Zafy. Notsipahan’izy ireo tanteraka ilay sori-dalan’ny Dr Simao iraky ny mpanelanelan’ny SADC.
Miantso ireo filoham-pirenena mpikambana ao anatin’ny vondrona SADC, hihaona amin’ny faran’ny volana izao izy telo mirahalahy mba handinika maika ny toe-draharaha. Ny Filoha Ravalomanana, izay niteny amin’ny anaran’ny filoha telo miarahalahy, dia nilaza omaly fa tsy mahomby io sori-dalana io satria manome vahana tanteraka ny mpitondra tsy ara-dalàna izay namerina tamin’ny toerany ilay praiministra teo aloha mba hitarika governemanta hiaraha-mitantana sy tsy mitanila mba hikarakarana fifidianana eo ambany fiahian’ny vondrona iraisam-pirenena.
Raha niditra nivantana an-tariby tao amin’ny Magro moa Atoa Ravalomanana omaly dia nilaza fa “coup d’Etat” hafa manaraka indray iny, tsy hahazo fankatoavana eo ! “Miantso ny SADC izahay hanaiky fa tsy nahomby ny fanelanelanana nampanaoviny. Ny fijerin’ny vahoaka Malagasy ireo mpanelanelana dia mitanila, manampy ny fanjakana tsy ara-dalàna”, hoy ihany i Marc Ravalomanana izay mitondra ny tenin’ireo filoha telo. Notohizany fa fanitsakitsahana tanteraka ny hasin’ny vahoaka Malagasy izay ao anaty fahantrana izao zava-mitranga izao. “Niezaka izahay ny hifampiraharaha amin’ny alalan’ny SADC mba hiverenan’ny fandriam-pahalemana sy ho an’ny tombontsoan’i Madagasikara…sarotra aminay ny hino fa hitazam-potsiny ny fitohizan’izao fitondrana tsy ara-dalàna izao ny SADC sy ny vondrona iraisam-pirenena” raha araka ny fijerin’ireo filoha telo hatrany. “Ny fifampiraharahana tsy mbola vita nefa dia nanangana governemanta vaovao ny filohan’ny mpanongam-panjakana. Na dia eo aza ny filazan’ny sori-dalan’ny SADC fa tokony ho governemanta iraisana no hatsangana, ary ny praiministra dia tokony ho avy amin’ny ankolafy hafa mba tsy hampitanila ny fitondrana, mandra-pahatonga ny fifidianana” raha araka ny fanamarihan’izy telo mirahalahy izay samy filohan’ny ankolafy amin’ny anarany avy.
“Tsy firaharahana tsotra izao ny voasoratra ao anaty sori-dalana izao fanendrena ny olona tena akaiky azy izao, ho praiministra. Tokony handray fepetra haingana ny fianakaviambe iraisam-pirenena mba hamahana ny olan’ny vahoaka Malagasy”, hoy ihany ny filoha Ravalomanana izay mitondra ny tenin’ireo filoha telo. Mitsimbadika tanteraka izany ny rasa ankehitriny satria miharihary toa vay an-kandrina loatra ny tsy fanarahana ny fifanekena na dia efa teo aza ny ezaka amin’ny fifampiraharahana nasehon’ireo ankolafy telo mba ho famahana ny krizy.
sary : Miray feo ireo filoham-pirenena telo voafidim-bahoaka
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.