Politique

Zafilahy Stanislas Ny misehoseho no hain-dRajoelina


  • Zoma 25 Febroary 2011

“Tsy maintsy tonga an-kianja ny mpitolona raha tsy hoe voairaka”, hoy ny Depiote Zafilahy Stanislas tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly alakamisy 23 febroary.

Mazava izao, hoy izy, fa ny manao fampisehoana sy misehoseho no hain’i Andry Rajoelina dia ny mamadi-dresaka. Mora ny maka fahefana fa ny manatanteraka ny fampanantenana sy mitazona azy no sarotra. Basy atifi-kavana ny an’ity mpanao politika ity, nilazany fa ny FAT no namotika ny firenena tao anatin’ny roa taona ary vao misy zavatra mahasahirana dia mamorona tetika hafahafa tahaka ilay vary 900 Ar satria sao hilaozan’ny vahoaka. Ny manodidina an-dRavalomanana no nolazaina fa sakana hatramin’izay. Lasa aiza anefa ireo olona ireo amin’izao ? Izahay izao aza sazy mihantona sahy ka aiza ianareo ? Asehoy fa tsy naloam-bahoaka ny Filoha Ravalomanana, hoy izy.

Toa nameno izany ny tenin’i Camille Mektoub raha nilaza fa endriky ny tsy fananana traikefa no nataon-dRajoelina tany Toamasina farany teo ary miaiky izy fa tsy misy dikany ilay 17 novambra matoa miantso mpanao politika indray hanao sonia sori-dalana hitondrana ny tetezamita. “Mibaribary izao fa tsy zakan-dRajoelina ny mitondra firenena”, hoy i Camille Mektoub. Mikasika ireo filoha roalahy sesitany dia nilaza i Mektoub fa “tsy misy mahalala ny andro higadonan’ny filoha roalahy ka aoka samy hivonona hatrany”.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT