Politique

Zafilahy Stanislas “Miala Rajoelina dia … milatsaha hofidiana !”


  • Zoma 27 Mey 2011

Mitana ny sain’ny maro, ary fototry ny adihevitra politika ny fihaonana izay hatao any Gaborone amin’ny fiandohan’ny volana jona io, handaminana ny krizy eto Madagasikara.

 Raha nitafa tamin’ny mpanao gazety tao amin’ny foiben-toeran’ny Ankolafy Ravalomanana, i Zafilahy Stanislas, filohan’ny Vondrona parlemantera Tiako I Madagasikara omaly dia nilaza fa tsy azo ihodivirana amin’io fihaonana any Botswana io ny Ankolafy efatra efa nidinika tany Maputo. Roa na telo raha betsaka ny firohotana politika mety hanampy an’ireo. Nanamafy i Zafilahy fa fifampidinihana miaraka an-databatra boribory, hikatsahana vahaolana iraisana no hatao any, fa diso hevitra izay milaza sy mivoy fa sonia no sisa. Ny amin’ny fandaminana ny krizy dia namerina sy nanamafy izay efa voalaza ombieny ao amin’ny Magro ny tenany fa  efa latsaka an-katerena ny firenena ka mety ny fialan’i Andry Rajoelina ka olona tsy miandany, izay ifanarahan’ny rehetra, no hanankinana ny fitondrana ny tetezamita mankany amin’ny fifidianana. Ampirisihina kosa ny filatsahan-kofidian’ny filohan’ny FAT, hoy i Zafilahy, hitsaran’ny vahoaka azy. Mikasika ny amnistia sy ny filatsahan-kofidian’ny filoha Marc Ravalomanana, dia nahitsy ny tenin’ity depioten’i Vavatenina ity, fa “tsy iadian-kevitra ny amin’io”. “Izay no nijoroanay sy mbola hijoroanay ary antom-pisian’ny tolona hamerenana ny ara-dalàna”, hoy izy.

 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT