Politique

Zafilahy Stanislas ”Fanaraina farany no homena ny FAT”


  • Talata 01 Martsa 2011


“Tsy mihemotra amin’ny sarotra isika fa vonona hamerina ny ara-dalàna”, hoy i Zafilahy Stanislas tao amin’ny kianjan’i Magro omaly alatsinainy 28 febroary. «Manana vahoaka ny Ankolafy telo ary miandrandra ny fiverenan’ny Filoha isany Didier Ratsiraka sy Marc Ravalomanana, koa fanaraina farany no homena ny FAT», hoy izy. Fanamafisana izany no nataon’ny Depiote Camille Mektoub tamin’ny filazana fa “mody i Dada sy ny Amiraly, ary hiverina amin’ny tompony ny fitondrana».

Hisy moa ny fihaonambe karakarain’ny Ankolafy telo eny amin’ny Villa Elisabeth rahampitso, izay hisiana fanambarana goavana. “Sady fanombohana ny fampihavanam-pirenena io, no fanomanana ny fodian’ny Filoha roalahy”, hoy i Olivier Rakotovazaha. Nohamafisin’ity farany fa tsy misy sori-dalana manan-kery raha tsy misy sonian’ireo lehiben’ny ankolafy isany, ary rehefa samy Malagasy no manao izany dia eto Madagasikara no hatao ny sonia. “Rehefa betsaka ny vahoaka, mipetraka ny miaramila”, hoy i Manoela nanome hery ny mpitolon’i Magro manontolo io omaly io.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT