Politique

Zafilahy Stanislas “Aoka izay ny politika maloto !”


  • Zoma 18 Martsa 2011

Niverina an-kianja indray ny Depioten’i Vavatenina teo aloha Zafilahy Stanislas rehefa tsy tazana nandritra ny herinandro.

“Nidina kely tany an-tanàna naka tso-drano tamin’ny raiamandreny”, hoy izy, izay nanohy fa “tolona efa natomboka izy ity, tsy maintsy tohizina hatramin’ny farany”. Raha nanontaniana mikasika ny fisintahan’ireo namany lasa nanao rangopohy ilay sori-dalan’i Simao izy dia nanambara mazava fa : “efa fantapantatra hatrany am-boalohany io. Ny fitiavan-tanindrazana marina tsy amidy sady tsy atakalo vola. Ny vahoaka no nitarika ny tolona nefa ny biby tsy misy lohany tsy mandeha ka izany no nijoroanay nandamina azy. Izay handeha aleo handeha fa izahay tsy maintsy mitsangana hatramin’ny farany. Aoka izay ny politika maloto. Arakaraka ny hanaovan-dry Rajoelina hadisoana no handresen’ny tolona tsy ho ela. Manaitra ny mason’ny iraisam-pirenena ny zava-misy tao anatin’ny 24 ora izay nampiseho fa tsy izy io ataon-dry zareo io. Tokony hiverina an-databatra boribory ny sehatra rehetra fa tsy ny ankolafy efatra taloha irery ihany ary tena hatao ny fametrahana ny fihavanana mampiavaka ny Malagasy ho fanalàna izao krizy izao. Atao ny fifidianana mangarahara sy malalaka”.

“Raha i Zafilahy Stanislas manokana”, hoy izy, “dia tsy mieritreritra ny hilatsaka hofidiana hahazo seza izany fa ny fametrahana ny rafitra hisian’ny fifandimbiasan-toerana mazava tsy arahin-dromoromo eto amin’ny firenena no katsahiny holovain’ny taranaka faramandimby hananany fiainana mahomby any aoriana”. Farany, mikasika ny fihazonana an’i Mamy Rakotoarivelo eny amin’ny BC dia nambaran’ity mpanao politika ity fa : “tsy tokony hisy intsony ny fanaovana fitaovana ny fitsarana. Olona tsy mbola meloka ve dia tabatabaina sahady amin’ny haino aman-jery ? Misy tanjona politika tian-kotratrarina amin’ilay izy. Anisan’ny mbola mampijoro anay hatramin’ny farany izany”.

 
Manohy
 

SARY : Zafilahy Stanislas, mpikambana ao amin’ny Birao politikan’ny antoko Tiako I Madagasikara

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT