Politique

Zafilahy Stanilas Mahalala ny zava-marina ny Amerikanina


  • Zoma 15 Aprily 2011

Namaly bontana ny fanakianana ny Amerikanina nataon’ny filohan’ny FAT tamin’ny haino aman-jery ny Depiote Zafilahy Stanislas omaly ka nanamarika fa mahalasa saina raha ny Amerikanina fatra-panaja ny demokrasia ary manana ny masoivoho tsara indrindra eran’i Afrika no lazaina fa tsy mahalala ny zavatra marina eto amintsika.

Manana ny fitaovana avo lenta indrindra ireo, ary ny filohan’ny FAT mihitsy aza no efa nilaza taorian’ny Maputo II 2009 ireny fa tsy ho any ivelany intsony fa noho ny teknolojia dia eto an-toerana ihany izy no mifandresy lahatra amin’ny any ivelany any. Afatotry ny teniny i Andry Rajoelina, hoy i Zafilahy. Tsotra ny antony : izaho dia nosamborina tamin’ny resaka hevitra tsy mitovy ka demokrasia sy zon’ny olombelona ahoana ? Tsy nisakafo izahay rehefa nafindrafindra fonja foana ary ny fianakaviana aza tsy nahalala hoe aiza izahay. Ary toy izany ny raiamandreny mahay lalàna iraisam-pirenena.

“Ny mpanao gazety manao ny asany, firy no nigadra ? Firy no hampitahorina ?”, hoy i Zafilahy. Ny mandabolambo ny Frantsay sy ny FAT ihany no homena laka. Tsy misy vola omena izany eo raha tsy tetezamita iraisana ary tsy hanome vola ariary maty ny OIF. Tsy hanome vola ny Vondrona Iraisam-pirenena dia izay no antony mahatonga anareo hiteny fa tsy mila ny volan’ny Iraisam-pirenena, hoy izy izay nanamafy fa “tsy ekenay hitovy amin’ny any Côte d’Ivoire ny hitranga eto Madagasikara ary misaotra ny Amerikanina sy ny SADC amin’ny asa tanterahan-dry zareo ny amin’izany”.

Manohy
 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT