Politique

Yves Aimé Rakotoarison Nisantatra ny fifanatrehan’ny Governemanta sy ny Parlemanta


  • Alarobia 11 Mey 2011

Ny minisi-panjakana misahana ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana Rakotoarison Yves Aimé no nisantatra ny fihaonan’ireo minisitra ao anatin’ny governemanta amin’ny mpikambana amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita.

 Omaly no nanatanterahana izany tao amin’ny Lapa maitso Anosikely, nitondran’ny minisitra fanazavana momba ny andraikitra sahanin’io deparlemanta vaovao iandraiketany io. Nialoha io ny fandaniana ny lahadiniky ny Filankevitra Ambonin’ny Tetezamita manomboka ny talata 10 mey ka hatramin’ny talata 17 mey nandritra ny fivoriana notarihin’i Lahiniriko Jean, filoha lefitra.

Fa hotanterahina anio alarobia 11 mey maraina kosa ny fifidianana ireo ho filoham-baomiera hisolo ireo mpikambana lasa Minisitra, dia ny vaomieran’ny fifandraisana iraisam-pirenena, niandraiketan’i Benjamina Ramanantsoa izay voatendry ho minisitry ny fitaterana sy ny vaomieran’ny fotodrafitrasa sy ny fanapariaham-pahefana ary ny vaomieran’ny fizahantany sy ny asa tanana, notarihin’i Jean Jacques Rabenirina, voatendry ho minisitry ny fanabeazam-pirenena.
Rabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT