Tonga soa aman-tsara tany Windhoek renivohitr’i Namibia tokoa i Andry Rajoelina, filohan’ny Fahefana avon’ny tetezamita sy Raharinaivo Andrianatoandro, filohan’ny Kongresin’ny tetezamita, niara-dia taminy.
Noraisin’ny filoha Namibianina, Hifikepunye Pohamba, tao amin’ny «State House Republic of Namibia», lapam-panjakana namibianina izy ireo ny misandratr’andron’ny alatsinainy 18 aprily. Ny tati-baovao nataon’ny seraseran’ny fiadidiana ny FAT omaly hariva no milaza fa nanazava tamin’ny mpampiantrano, izay tsy iza fa filoha am-perinasan’ny SADC, ny fivoaran’ny toedraharaham-pirenena teto hatramin’ny martsa 2009 no ho mankaty ny filohan’ny FAT. Nampahafantatra koa ity farany fa efa nanao fitsapan-kevi-bahoaka momba ny lalàmpanorenana tamin’ny 17 novambra 2010 nidirana amin’ny Repoblika faha-4, ary efa nankatoavin’ny mpanao politika Malagasy tamin’ny alalan’ny rangopohy ny sori-dalana hitondrana ny tetezamita.
Naharitra ora iray sy sasany ny fihaonana, araka io tati-baovao io hatrany, izay tsy nanisy resaka na dia in-draimbava akory izay zava-nambaran’ny filoha Hifikepunye Pohamba, mpampiatrano. Eo dia ampy ahatsapana fa tsy arakaraka ny nandrasan’ny FAT ny fihaonana tany. Nitondra mpandika teny moa i Andry Rajoelina tany. Midika izany fa raha ambara fa ora iray sy sasany ny faharetan’ny fihaonana dia zara raha nisy 20 minitra ny tena votoatiny, raha analana ny fotoana lany amin’ny fandikan-teny. Amin’ny sary naparitaky ny fiadidiana ny seraseran’ny FAT, nentiny hanaporofoana fa nisy tokoa ny fihaonana tany Windhoek, dia maneho mazava fa tsy nanokana fandraisana fanao amin’ny filoham-pirenena ho an’i Andry Rajoelina ny tany, izay voamarika tamin’ny tsy nahitana saina Malagasy tao amin’ny efitra nivoriana. Tsy nisy ihany koa ny fihaonana mitokana teo amin’ny filoha Hifikepunye Pohamba sy Andry Rajoelina, fa dinikasa no nisy, voamarika amin’ny fisian’olon-kafa niray latabatra tamin’izy ireo teo.
Raha ny fipetraky ny harofenitra tao anaty trano koa dia toy ny olon-tsotra no nandraisan’ny filoha namibiana an-dRajoelina sy Raharinaivo, satria dia naka ny toerana voatokana ho azy, rehefa mitarika fivoariana ny filoha Pohamba fa tsy toy ny fanao amin’ny fihaonana “bilatéral” izay mifanatrika ny andaniny sy ny ankilany. Raha nahomby araka izay niheverany azy ny dia tany Namibia, handresen-dahatra ny filohan’ny SADC fa tetezamita iaraha-mitantana sy misokatra no misy eto, dia tsy ho faran’izay fohy ny tati-baovao nataon’ny seraseran’ny FAT, fa nankalazainy arak’izay nahamety azy. Teto an-toerana kosa omaly hariva dia nisy fivoriana maika nataon’ireo etamazaoro politika miara-dia ao anatin’izao fitondrana FAT izao. Fivoriana misaraka izy ireo, saingy mitovitovy ihany ny lahadinika ary tsy tongatonga ho azy ilay izy. Loharanom-baovao hafa no milaza fa toa nampita teny tamin’ity delegasiona tany Windhoek ity ny filohan’ny SADC fa raha tiana ny hahazo fankatoavana iraisam-pirenena dia esorina amin’ny toerany ny praiministra Albert Camille Vital, ary averina amin’ny ankolafy Ravalomanana ny filohan’ny Kongresy. Any amin’i Mamy Rakotoarivelo avy hatrany no niantefan’ny sain’ny maro. Andrasana moa izay hambaran’ny delegasiona mikasika ity dia tany Windhoek ity, indrindra ny nitondrana an-dRaharinaivo Andrianatoandro tany, fa ho an’ny mpanara-baovao dia tapi-dalan-kaleha ny FAT.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.