Ho an’i Vyvato Rakotovao avy amin’ny TIM miara-dalana amin-dRaharinaivo Andrianatoandro dia tsy azo ihodivirana ny fametrahana ny governemantan’ny firaisam-pirenena, ahitana ny solontenan’ny vondrona politika rehetra eto amin’ny firenena satria izay no tapaky ny maro an’isa tany amin’ny fihaonambem-pirenena, sy voarakitra ao anatin’ilay fifanarahana politika nosoniavina ny 13 aogositra 2010 teny Ivato.
Dingana goavana amin’ny famahana ny krizy sy fanombohana ny famintranam-pihavanana eo amin’ny tontolo politika izany araka ny nambarany, no sady mampiseho fa vonona ny hifanome tanana tokoa ho amin’ny tombontsoa iombonana ny ankolafy rehetra. Nanamarika tsara i Vyvato R. fa governemantan’ny firaisam-pirenena no atsangana fa tsy governemantan’ny fisokafana araka ny tenin’i Andry Rajoelina. Samy hafa mihitsy mantsy ireo satria ilay voalohany dia fizarana seza mitovy eo amin’ny vondrona politika rehetra, tsy misy ny mahazo tombony na tara aoriana, fa ilay faharoa kosa dia azo eritreretina fa hanome tombon-dalana ho an’ny ankolafy Rajoelina satria tsy voatery hampitovy ny isan’ny toerana izy fa mety hampiditra ministra vaovao roa na telo tahaka ny efa nisy hatrizay, ka hilaza avy eo fa efa nisokatra tamin’ny hery hafa ny tetezamita.
Hita ho mbola tena adihevitra goavana ary misy fomba fijery mbola mifanipaka mihitsy eo amin’ny ireo mpanao politika miara-dalana amin’i Andry Rajoelina sy ireo avy amin’ny ankolafy hafa momba ity fananganana governemanta ity, satria samy manana ny fomba fijeriny sy ny fomba filazany izy ireo. Raha ny fifanarahana politika natao tany ivelany sy teto an-toerana kosa anefa no hajaina sy ampiharina dia governemantan’ny firaisam-pirenena no tsy maintsy atsangana eto ka ampidirina ao avokoa ny ankolafy politika rehetra nandray anjara tamin’ny dinika hatramin’izay, ary tsy maintsy misolo ny praiministra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.