Politique

Vyvato Rakotovao “Tsy afaka milatsaka hofidiana i Marc Ravalomanana”


  • Alakamisy 12 Mey 2011

Tena niova fo tokoa i Vyvato Rakotovao ary nanaraka amin’ny antsipirihany ny fomba fitenin’ny mpanohana ny fitondrana FAT misy azy ankehitriny.

Na inona na inona mety ho filazan’ny Filoha Marc Ravalomanana dia tsy mbola afaka miverina eto izy araka ny voalazan’ny tondrozotran’ny Dr Simao”, hoy izy, “ary tsy afaka milatsaka hofidiana ihany koa. Olona nipetraka teto Madagasikara nandritra ny fito na valo volana mantsy no afaka mirotsaka hofidiana”. Nilaza koa ity minisitra avy amin’ny elatra Raharinaivo ity fa : “Tsy an’Atoa Ravalomanana ny antoko Tiako I Madagasikara fa karazana mpanohana (sponsor) ihany izy, ary tsy misy taratasy manamarina izany akory aza”. Tao anatin’ny hetsika fiaraha-misakafo tamin’ny mpanao gazety omaly maraina no nanambaran’ity minisitry ny fambolena ao amin’ny governemanta Vital ireo rehetra ireo. Ankoatra izay, nitaky ny hanatanterahana ny fifidianana amin’ity taona 2011 ity ry zareo TIM Raharinaivo, na inona mety ho fanapahan-kevitry ny SADC amin’ny 20 mey.

Nanamafy anefa izy ireo fa tokony ho fifidianana madio sy mangarahara no hatao mba tsy hisy ny fandavana ny vokatra avy eo. Hanatanteraka kongresy lehibe moa ity antoko ity mialoha ny fifidianana, araka ny fanambarana ihany. Nanisy teny mikasika ny anjara andraikitry ny ministera tantanany i Vyvato Rakotovao, nandritra ity fihaonana ity, izay nanamafisany ny tanjon’izany ministera izany dia ny “vahoaka voky no miatrika fifidianana”. Sehatra telo no nolazainy fa hotohanana ahafahana manatratra io tanjona io dia ny voly avotra hizarana ny ambioka sy zezika ary hamehezana ny rano, ny ady amin’ny valala izay efa atomboka any Toliara ary farany ny fararano.

 

Manohy

  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT