Politique

Vyvato Rakotovao Ny sori-dalana voasonia ihany


  • Zoma 25 Febroary 2011


Tao anatin’ny fanambarana an-tsoratra, naparitaka tamin’ny mailaka ary tonga tato amin’ny trano fanoratan’ny gazety no nilazan’i Vyvato Rakotovao, mitondra teny ny elatra Tiako i Madagasikara tarihin-dRaharinaivo Andrianatoandro fa amin’ny ankapobeny dia mampiray hina tanteraka ny votoatin’ilay sori-dalana naroson’ny mpanelanelana iraisam-pirenena. Ireo fanitsiana natao taminy dia saika efa nampidirin’ny mpamolavola azy tao anatiny avokoa.

Tao ny fikajiana ny fitsinjaran-toerana politika, indrindra mba ho samihafa fiaviana ny  filohan’ny tetezamita sy ny praiministra, ny fampitomboana isa ireo mpikambana ao amin’ny rafitra hafa toy ny CT sy CST, ny fanomanana fifidianana azo antoka, tsy momba ny atsy na ny aroa, mangarahara ary mahaleotena tanteraka eo ambany fanaraha-mason’ny manampahaizana iraisam-pirenen’ny Firenena Mikambana. Manamafy ny fahavononany hatrany hiara-misalahy amin’ny fitondrana ankehitriny amin’ny fandraisana ireo lalàna isan-tsokajiny hampandehanana tsara tetezamita sy ho fametrahana ny Repoblika faha-4 ireo mpanao politika nisintaka tamin’ny Tiako i Madagasikara.

Nanamafy ireto farany fa vonona ny hampihatra ny sori-dalana Simao mba hivoahana amin’ny krizy eto Madagasikara ary miangavy ny mpanao politika malagasy ihany koa izy ireo mba hankato an’io sori-dalana io. Mitaky ny hametrahana avy hatrany ny governemantan’ny fampihavanam-pirenena sy ny fanitarana ireo rafitry ny tetezamita. Tetsy andanin’izany dia mangataka an’ireo antoko politika mbola misalasala amin’io sori-dalana io ry Vyvato Rakotovao mba hitonon-tena ho mpanohitra izy ireny fa ny firenena tsy maintsy mandroso ao anatin’ny Fihavanana malagasy ka ny tombontsoam-pirenena no tokony hotsinjovina mialoha fa havela ny fitiavan-tena sy ny tombontsoa manokana.

Nangonin’i Manohy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT