Politique

Vovonam-pirenen’ny tanora (PNJ) Korontana no hateraky ny tsy fisian’ny fifidianana amin’ity 2011 ity


  • Zoma 06 Mey 2011

Maro ireo mpanao politika mihevitra fa tsy mahamaika ny fanatontosana ny fifidianana fa ny fiaraha-mitantana ny tetezamita tena izy aloha no tokony himasoana. Mitana io hevitra io hatrany, ohatra, ny Ankolafy 3.

 Ankoatra azy ireo anefa dia misy koa ireo vondrona politika ao anatin’ny fitondram-panjakana ankehitriny toy ny HPM no milaza fa hiteraka korontana vaovao indray ny fandrosoana ny fifidianana ratsy fanomanana. Efa nampahafantatra izay ahiahiny izay ity vondrona ity nandritra ny adihevitra momba ny fifidianana nokarakarain’ny FES. Eo anatrehan’izay fironana amin’ny tsy hisian’ny fifidianana amin’ity taona ity izay dia misarika ny sain’ny mpanao politika sy ny vahoaka Malagasy ny Vovonam-pirenen’ny Tanora izay nanambara tamin’ny alalan-dRaholinarivo Solonavalona mitana ny andraikitry ny “Comité des experts” fa hiteraka korontana ny tsy fahatanterahan’ny fifidianana amin’ity taona 2011 ity. Nambarany fa hamboly krizy anaty krizy izany toe-javatra izany satria tsy hanaiky raha tsy mahazo toerana ireo vondron’olona misintaka amin’ny vondrona misy azy rehefa tsy mahazo toerana. Nanamafy koa Ranaivoson Désiré, filohany fa tokony hiala avy hatrany ny governemanta raha tsy mahatontosa fifidianana amin’ny fotoana nifanarahana satria izay no andraikitra nankinina taminy.

Anisan’ireo manohana ny fanatontosana miaraka ny fifidianana filoham-pirenena sy ny solombavambahoaka ny Vovonam-pirenen’ny Tanora saingy manana vahaolana solony koa anefa izy raha misy ny olana. “Tapitra amin’ny volana desambra izao ny fe-potoam-piasan’ireo Ben’ny tanàna ka tsy maintsy hitaky ny hanohana azy ireo ny vahoaka. Ankoatra izay dia tsy hisy olom-boafidy intsony koa eto amin’ny firenena raha tsy irosoana ny fifidianana Ben’ny tanàna”, hoy hatrany Ranaivoson Désiré. Nokianin’ny Vovonam-pirenen’ny Tanora koa ny fihazohazoan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena tsy manone fankatoavana ny fitondram-panjakana ankehitriny kanefa nanome vola an-jatony sy an’arivony dolara ny fanatontosana fifidianana tamin’ny tany Afrikanina maro nanomboka ny taona 1970 ka hatramin’izao.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT