Politique

Voninahitsy Jean Eugčne “Tsy mahagaga raha nitrifana ry Charles sy Noël”


  • Talata 22 Febroary 2011

Tsy lanin’ny vavonin’i Voninahitsy Jean Eugčne ny fanesorana ny ministry ny asam-panjakana Noelson William izay mbola notoriana eny amin’ny fitsarana ihany koa.

Tsy rariny io fanalana io raha ny heviny satria maro ireo ministra sy mpitondra ambony ao amin’ny FAT izay manao fahadisoana sy halatra be lavitra noho ny vitan’i Noelson William anefa mbola mijanona amin’ny toerany. Ireo olona akaiky an’i Andry Rajoelina indrindra no notononiny ho tompon’antoka amin’ireo afera maloto isan-karazany toy ny fanondranana “bois de rose”. “Tsy mahay afa tsy ny manaratsy ny mpitolona nametraka izao fitondrana izao any amin’ny filoha FAT ireo olona ireo. Tsy mahagaga mihitsy koa raha nanao ireny fihetsika mamoafady ireny ry kolonely Charles sy ny jeneraly Noel”, hoy ity gadra politika nafahan’ny FAT ity.

Momba ny tsy fahafahan’Atoa Marc Ravalomanana niverina an-tanindrazana dia nambarany fa fihetsiketsehana entin’ity filoha teo aloha ity hampalaza ny tenany ireny zava-nisy ireny. Fantatro tsara i Marc Ravalomanana, hoy izy, fa olona saro-tahotra ka tsy sahy hody eto Madagasikara izany. Nasiany resaka koa ny sori-dalana nalefan’ny filoha Joaquim Chissano ka nanambarany fa ankasitrahany sy ny vondrona Les AS izay tarihiny ny ankamaroan’ireo andininy voalaza toy ny fanatontosana ny famotsoran-keloka mialoha ny fifidianana sy ny fitsinjarana ara-drariny ny toerana eo anivon’ny CENI, ny CT ary ny CST. Angatahiny kosa anefa ny hanitarana ny famotsoran-keloka hatramin’ny taona 2010 mba hahatafavoaka ireo miaramila voarohirohy amin’ny raharaha FIGN sy BANI.

 
Yves 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT