Tena to fo amin’ny Filoha Marc Ravalomanana no azo hilazana ny mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita, Voninahitsy Jean Eugčne.
Nambarany mantsy taorian’ny fanatrehany ny asam-baomiera voalohany tao amin’ny kaomision’ny famotsoran-keloka sy ny fampihavanam-pirenena eny amin’ny Kongresin’ny tetezamita fa anisan’ny hiadian-dry zareo mpikambana ao amin’izany vaomiera izany mafy amin’ny famotsoran-keloka. Na dia tsy mbola nisy adihevitra natao aza tao, araka ny fanamarihana nomeny fa mbola fandaminan-draharaha fotsiny, fifanakalozan-kevitra sy fijerena ny amin’ny fomba arahina hitondrana ny fandinihana hatao, dia efa nahasahy nilaza ny tenany fa «tsy ho anisan’ny hahazo ny famotsoran-keloka mihitsy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana na dia ireo niditra am-ponja teo anelanelan’ny taona 2002 sy 2010 aza no heverina fa hahazo izany». Noho ny ra latsaka teto amin’ny firenena tamin’ny 2009 no anton’izany, hoy izy sy «noho izy mbola basivava any ivelany any fa hoe tsy maintsy hilatsaka hofidiana, ary dia tsy mba mipitrapitra mampalahelo fa mizahozaho toy ny fanaony taloha ihany fa hoe tsy maintsy ho lany».
«Efa nasianay marika famantarana (X) ny aminy fa tsy tafaverina eto izy noho ny tsy fahazoany an’io famotsoran-keloka io. Ireo niaraka taminy kosa anefa, izay efa aty amin’ny ankolafin’ny fitondrana dia hahazo mazava izany famotsoran-keloka izany daholo», hoy i Voninahitsy. Nosinganiny manokana ny filohan’ny Kongresy, Raharinaivo Andrianatoandro izay «manao ny ainy tsy ho zavatra mikatsaka ny fahazoana ny fankatoavana iraisam-pirenena miaraka amin’ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina». «Tsy izaho mihitsy», hoy izy no hitarika fanonganana an’io filohan’ny Kongresy io. Izaho tsy maintsy nilatsaka hofidiana nifaninana taminy teo amin’io toerana io noho ny tsy fetezan’ny mpilalao irery miakatra an-kianja fa tsy sitrapon’Andriamanitra ny nahalaniako. Kristianina aho, hoy i Voninahitsy !».
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.