Politique

Voninahitsy Jean Eugčne «Aleoko maty toy izay hamela an-dRavalomanana tafaverina»


  • Alarobia 15 Jona 2011

Mikoropaka avokoa ireo nahazo seza, tambin’ny fanohanana ny FAT manoloana ny fahafahan-dRavalomanana mody malalaka an-tanindrazana.

Anisan’ireo manohitra mafy ny fodiany i Voninahitsy Jean Eugène, filohan’ny «Les Autres Sensibilités». Ity farany izay sahy nanambara mihitsy fa aleony maty toy izay hamela an’i Marc Ravalomanana hiverina eto. Tsy vitan’izay fa mbola mihantsy mivantana ity filoha teo aloha ity koa ny tenany raha nilaza fa olona saro-tahotra i Dada ka tsy ho sahy hanitsaka ny tanin’i Madagasikara izany. Nambaran’i Voninahitsy Jean Eugène fa ny tenany sy ny vondrona tarihiny mihitsy no hitarika ny vahoaka hisambotra ka hanatitra an’i Marc Ravalomanana eny Tsiafahy raha sanatria sahy miditra eto ihany izy.

Ho an’ny «Les AS» dia ny vaomiera misahana ny fampihavanam-pirenena no manapaka ny fotoana hahafahany miverina eto rehefa tena milamina tanteraka ny tany sy ny firenena. Araka ny filazan’i Voninahitsy ihany dia efa nandritra ny fihaonana tany Gaborone no natsidik’i Joaquim Chissano ny fiverenan’ny filoha teo aloha eto Madagasikara. Nandritra izany, hoy izy no nanontanian’i Joaquim Chissano ny hevitray raha mety ny hiantohan’ny sehatra iraisam-pirenena ny fiarovana an’i Marc Ravalomanana rehefa mody eto Madagasikara izy. Raha araka ny fanazavany ihany dia nitsipaka avy hatrany izany rehetra izany i Voninahitsy ary nanambara tamin’ny Sadc fa tsy mila an’i Marc Ravalomanana izany intsony ny eto Madagasikara satria aminy dia nahavita heloka tamin’ny vahoaka sy ny firenena ity filoha teo aloha ity, nampiany fa Atoa Ravalomanana no tena mpanakorontana.

 

Yves sy RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT