Politique

Vondrona Eoropeanina Ny fiaraha-mitantana sy tenierana ihany


  • Alarobia 11 Mey 2011

Nanamarika ny 9 mey andron’i Eoropa ny teto amintsika. Toy ny isan-taona dia eny Ivandry no nanamarihana izany.

 Tsy nahitana solontenan’ny FAT na koa ireo mpanao politika tamin’io fa ny avy amin’ny fiarahamonim-pirenena, sy ireo masoivoho vahiny monina sy miasa eto Madagasikara no tao. Anisan’ny nisongadina tamin’ny lahatenin’ny masoivohon’ny Vondrona Eoropeanina eto, Leonidas Tezapsidis, ny nanamafisany fa hatramin’ny 7 jona 2010 no nanapahan’ny filankevitr’ireo firenena 27 mpikambana ao amin’ny Vondrona Eoropeanina nanapahana ny fifandraisany tamin’i Madagasikara, araka izay voafaritry ny andininy faha-96 amin’ny fifanarahan’i Cotonou. Nambaran’ity ambasadaoro ity fa dia nisy fiantraikany lehibe teo amin’ny fiaraha-miasa ho amin’ny fampandrosoana iny fanapahan-kevitra iny.

Na dia teo aza anefa izany dia miray hina hatrany amin’ny vahoaka Malagasy ny Vondrona Eoropeanina ary mamaly ireo fangatahana tena vonjy aina. Anisan’ireny, ohatra, ny fanampiana ireo mponina lasa nitoka-monina vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Hubert, teo koa ireo mpampiasa ilay baka vaovao any Saint Augustin any Toliara sy ireo mpampiasa ny lalana mianavaratra. Eo koa ny fanamboarana ny tetezan’i Mahajamba izay mbola an-dalana amin’izao fotoana izao. Ankoatra izay ny tantsoroka ireo olona voafonja.

Fa araka ny fantatra dia mbola mihantona aloha hatreto ny fanampiana, anisan’izany ny 29 tapitrisa Euros tokony hanampiana antsika. Tsy misy afa tsy ny tenierana ihany amin’izay ho fiaraha-mitantana no hamoaka amin’i Madagasikara amin’ny krizy, hoy izy. Izany dia mba hahazoana mikarakara fifidianana azo antoka, mangarahara ahafahan’i Madagasikara miverina amin’ny ara-dalàna, izay hany fomba hiverenan’ny fanampiana sy ny fiaraha-miasa matotra sy maharitra eo amin’ny roa tonta.
Dingana goavana ho an’ny Vondrona Eoropeanina izay ho fanapahan-kevitry ny Sadc ny 20 mey ho avy izao sy izay holazain’ny Vondrona Afrikanina, araka ny fanazavana ihany. Vonona hatrany hanohana izay fikaroham-bahaolana hivoahan’i Madagasikara amin’ny krizy ny Vondrona Eoropeanina.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT