Politique

Vondron’olon-tsotra Mitsipaka ny sori-dalan’i Simao


  • Talata 01 Martsa 2011


Tsy tokony hisy fanaovan-tsonia raha tsy efa tenieran’ny rehetra, hoy ireo ao anatin’ny Vondron’olon-tsotra. Ireo antoko mpomba ny FAT izay mangetaheta seza no maika hanao sonia iny sori-dalan’ny Dr Leonardo Simao, mpanelanelana avy amin’ny SADC iny. Tsy ekena, hoy izy ireo ny fanilihana ankolaka ny filoha Ravalomanana amin’ny famahana ny olana eto amin’ny firenentsika.

Raha te hampisy fitoniana marina ny FAT dia tokony havela hiditra eto malalaka ireo sesitany politika. Voaporofo tamin’ilay fitsenana teny Ivato tamin’ny sabotsy 19 febroary teo, hoy izy ireo fa mbola maro ireo olona manara-dia sy miandrandra ny fanohizan’ny filoha Ravalomanana ny fampandrosoana an’i Madagasikara.

Ho an’ireo olon-tsotra izay tonga maro teny Ivato ry zareo Vondron’olon-tsotra izy ireo dia toy ny tsy misy izany sori-dalan’ny Dr Simao izany, fa ny fanafoanana ilay NOTAM izay nampiharina tamin’ny filoha Ravalomanana sy ireo mpiara-miasa aminy sy ny fanokafana ireo haino aman-jery izay nakatona no dingana iray hirosoana amin’ny fikatsaham-bahaolana amin’ity krizy eto amintsika ity. Tsy mijanona ny tolona, hoy izy ireo, raha tsy ny filoha Ravalomanana no tafaverina eto Madagasikara.

 
Niry R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT