Manoloana ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Sadc ny 20 mey teo, izay mihevitra ny hampihaona ireo mpifanandrina politika eto Madagasikara any Botswana dia nanambara ny Vondron’olon-tsotra any Ambatondrazaka fa ny tetezamita iaraha-mitantana sy tsy misy fanilikilihina ihany no vahaolana amin’izao krizy tsy mety mivaha eto Madagasikara izao.
Miantso ny FAT, araka izany ry zareo Vondron’olon-tsotra any Ambatondrazaka mba hijery izay tena mahasoa ny vahoaka fa tsy variana amin’ny famonoana afo etsy sy eroa fotsiny. Manantena izy ireo fa tsy hisy indray zavatra hanamelohana ny ankolafy Ravalomanana mialoha io fihaonana hotanterahana any Botsowana io. Raha tiana ny hisian’ny fitoniana politika eto Madagasikara, hoy izy ireo, dia mila havoaka avokoa ny gadra politika ary mody eto Madagasikara ireo sesitany any ivelany. Mino izy ireo fa harafitra any Botsowana ny sori-dalana iray hifaneken’ny rehetra hivoahana amin’izao krizy efa mandifotra ny firenentsika izao. Mitaona ny Malagasy rehetra izy ireo mba hitondra am-bavaka hatrany ny fiainam-pirenena fa «Andriamanitra irery ihany no mahafantatra izay hahasoa ity firenentsika ity». Ny alahady tolakandro teo no nifanakalo hevitra sy namoaka ity fanambarana ity tamin’ny mpanao gazety ry zareo Vondron’olon-tsotra any Ambatondrazaka.
Niry A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.