Mpahay toekarena efa manana traikefa amin’ny fitantanana ny sehatry ny fihariana sy ny volam-panjakana amin’ny ankapobeny Ralison Roger, mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita ary efa mpanolotsain’ny profesora Zafy Albert tamin’ny fotoana naha filoha ity farany.
Momba ny fepetra noraisin’ny fanjakana amin’ny fanafarana vary sy fanapariahana izany amin’ny vidiny mora dia mahita Ralison Roger fa efa misy vokany izany satria midina hatrany amin’ny 1500 ariary ka hatramin’ny 1300 ariary ny kilao ankehitriny. Notsindriany anefa fa ny fitazonana io vidiny io no tokony himasoan’ny ministeran’ny varotra ankehitriny fa tsy hiandry ny kapo-databatry ny filohan’ny FAT vao handray andraikitra indray. “Mora ny mampidina an’io vidim-bary io fa ny mitazona azy no tena manahirana”, hoy izy. Nasiany resaka ihany koa ny famoahan’ny FAT volabe amina miliara maro ao amin’ny tahirim-bolam-panjakana amin’ny alalan’ny “compte de dépôt” izay mahatratra hatrany amin’ny 50 miliara ariary isam-bolana araka ny efa nitaterana azy teto. Raha ny hevitr’i Roger Ralison dia mbola voatantana tsara ny kitapom-bolam-panjakana ankehitriny araka ny resaka nifanaovany tamin’ny ministry ny vola ankehitriny. Manahy anefa izy raha mbola mitohy izany famoahana vola izany ka tsy mbola azo koa ny fanampiana avy any ivelany dia hamaivay mihitsy ny tahirim-bolam-panjakana. Mitatao ny loza, hoy izy ka tokony samy handray ny andraikiny ny mpitondra sy ny mpanohitra hamarana ny krizy sao samy miaraka iharan’ny hatezeram-bahoaka.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.