Nihazo an’i Namibia i Andry Rajoelina. Nivoitra io nandritra ny fandaharana adihevitra manokana naharitra ora roa teo, niarahan’ity farany tamin’ny mpanao gazety isany, Johary Ravoajanahary, tale jeneralin’ny ORTM sy Onitiana Realy avy ao amin’ny TV Plus, nalefa tamin’ny haino amanjerim-panjakana.
Nambaran’i Andry Rajoelina fa dia taratasy avy amin’ny filoha namibiana, Hifikepunye Pohamba, sady filoha am-perinasan’ny SADC no miantso azy, ka handehanany any. Anio amin’ny folo ora any an-toerana no hihaonan’ny roa tonta any Windhoek renivohitr’i Namibia. Mitranga izany mialoha ny fihaonana an-tampony tsy ara-potoan’ireo filoham-pirenena eo anivon’ny SADC hatao afaka iray volana, handraisana fanapahan-kevitra momba ny krizy izay mitarazoka ela ary mampitombo ny fahorian’ny Malagasy sy fahantran’i Madagasikara, izay any amin’ny laharana fahatelo mialoha ny farany amin’izao fotoana izao. Vokatr’izao tsy fahitana vahaolana amin’ny krizy izao, dia fantatra koa izao fa notapahan’ny BAD, banky afrikanina momba ny fampandrosoana ny famatsiam-bola momba ny famatsiana rano fitsotro madio.
Araka ny fantatra dia tamin’ny tapaky ny volana martsa teo no tonga tao amin’ny ministeran’ny rano ny taratasy milaza izany saingy nofihinin’ny tao, tsy nampahafantarina. Ala nenina amin’i Andry Rajoelina, araka izany, ity fampiantsoana azy any Windhoek ity, mba tsy hampitombo izao fahavoazana mianjady amin’ny Malagasy sy i Madagasikara ateraky ny fiziriziriany izao. Izay koa no heverina fa anton’ny fahanginana tato ho ato nataon’ireo filoham-pirenena voafidim-bahoaka telo. Raha niezaka ny nanazava ny fipetraky ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny i Andry Rajoelina tamin’ny fandaharana natao omaly alahady alina dia namato-tena.
Matetika izy dia niaiky ny fahadisoany teo amin’ny nandraisany fanapahan-kevitra toy ny filazana datim-pifidianana matetika nefa tsy natao. Nilaza koa izy teo aloha fa tsy hirotsaka hofidiana, izao anefa lazaina fa miankina amin’ny fitondran’Andrimanitra. Toy izany koa ny filazana teo am-piandohana fa vitantsika ny mikarakara fifidianana, nefa nambarany indray fa mitovy hevitra amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena izy momba ny fifidianana. Toy izany koa raha nambara fa 40 miliara ariary ny vola ilain’ny CENI hikarakarana fifidianana dia lasa 20 miliara ariary indray izany, manginy ny fampifangaroany ny andraikitra amin’ny famaritana ny datim-pifidianana : an’ny governemanta sa ny CENI ... Tsy mahagaga raha miala nenina aminy hatramin’ny SADC ankehitriny !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.