Politique

Vital PM “Tsy hitondra fitoniana mihitsy”, hoy i Zakahely Boniface


  • Alakamisy 17 Martsa 2011


Tsy mankasitraka ny fanendrena indray an’i Camille Vital eo amin’ny toeran’ny praiministry ny marimaritra iraisana i Zakahely Boniface. Aminy dia tsy hitondra fitoniana mihitsy ny fanendrena miaramila araka ny efa hita nanerana ny firenena rehetra satria tsy maintsy hampiasa hery hatrany izy ireny hiarovany ny fanjakana tantanany. “Mazava izany fa hisambotra indray ny FAT”, hoy hatrany ity depioten’i Mananara Avaratra teo aloha ity. Nasiany teny koa ny raharaha Rakoatoarivelo izay voarohorohy ho mpaniraka tamin’ny fikasana hamono an’i Andry Rajoelina. Nambarany ary fa mbola ao anatin’ny kajikajy politika handetehana ity lehiben’ny delegasiona Ravalomanana ity ireny. “Ampitahorina i Mamy Rakotoarivelo mba hanerena azy hiditra ao anatin’ny fitondram-panjakana”, hoy hatrany ny filohan’ny antoko ITOTAL. Farany dia resy lahatra ny tenany fa tsy ho tanteraka amin’ity taona ity ny fifidianana. 

 
Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT