Politique

Victor Hong “Malahelo an’i Dada i Mananara Avaratra”


  • Alarobia 06 Aprily 2011


Na inona na inona holazaina, ny marina ihany no marina”, hoy i Victor Hong avy amin’ny ankolafy Zafy Albert tetsy amin’ny kianjan’i Magro Behoririka, omaly. Elaela tsy tazana teny an-toerana ny lehilahy. Nambarany fa mitohy andro aman’alina ny fitrandrahana “bois de rose” any Mananara Avaratra izay toerana nandalovany tsy ela akory izay. Tsy matahotra masoandro miposaka ny mpanao azy. “Dia havelantsika ho gaboraraka ve ny harem-pirenena ?”, hoy izy.

Milaza ny manana fihaonana amin’ny minisitry ny tontolo iainana moa ny tenany hanontaniany raha misy ny alalana fahazoana mitrandraka “bois de rose” eto amintsika ankehitriny sy ny hoe azo atao ve izany ? Nambarany koa fa : “malahelo an’i Dada i Mananara Avaratra. Mijoro tsara ny tetezana vitany any an-toerana ary vita mafy. Tsarao amin’izay nataony ny rehetra !”. Ankoatra izay dia naneho ny alahelony amin’ny zava-misy ao amin’ny haino aman-jerim-panjakana (RNM sy TVM) atao fitaovana politika handokafana ny mpitondra koa i Victor Hong. Soa ihany fa ny any rehetra any dia tsy mihaino firy azy ireo fa efa revon’ny hirahira alefan’ny haino aman-jery tsy miankina, hoy izy. Mahakasika ny CENI dia hentitra ny tenin’ity mpanao politika ity fa mila ravana tanteraka io rafitra io dia soloina vaovao avokoa ny mpikambana ao aminy fa efa hita ny tsy fahombiazany tamin’ny fitsapan-kevi-bahoaka farany teo.

 
Manohy
 
SARY : Victor Hong.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT