Politique

Vehivavy mpanao politika Andrasana izay handimby an-dRanavalona


  • Talata 08 Martsa 2011

Hisongadina indray ny andriambavilanitra anio talata 8 martsa amin’ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena natokana ho azy ireo.

Fotoana tokony hampisehoan’ny vehivavy ny maha-izy azy tokoa ny andro tahaka izao satria dia tsy vitan’ny hoe resaka fitovian-jo tsotra no niandohan’ity fankalazana ity fa tena fangataham-pitoviana tanteraka mihitsy eo amin’ny asa atao sy ny karama horaisin’ny lahy sy ny vavy. Efa tany amin’ny faha Mpanjaka no nisy vehivavy farany nitondra fanjakana teto Madagasikara ka andrasan’ny mpanara-baovao fatratra amin’ity andro ity any anatin’ireny kabary samihafa hiseho ireny na aiza na aiza, na ataon’iza na ataon’iza ny amin’ny fanambarana ofisialy mety hataon’ireo vehivavy Malagasy mpanao politika hanara-dia ny fanambarana nataon’ny filohan’ny Antoko Maitso, Rtoa Sarah Geoget Rabeharisoa fa “vonona hifaninana amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena ho avy izy”.

Maro tokoa ireo anaram-behivavy Malagasy heverin’ny maro fa mety hahazaka izany toerana izany raha tsy hitanisa afa tsy ireo vehivavy efa nisahana na mbola misahana ny asana ministra teo amin’ny fitondram-panjakana nifandimby isika : Manorohanta Cécile, Nadine Ramaroson, Andréas Irène, Mireille Rakotomalala, Nathalie Rabe. Na ireo efa nirotsaka hofidiana tany aloha ka hamerin-desona indray : Ruffine Tsiranana, Elia Ravelomanantsoa. Ireo mpitarika na nanangana antoko azy manokana toa ny filohan’ny antoko Maitso voalaza teo : Yvette Sylla, Dr Brigitte Rasamoelina, Lanto Rakotomavo.

Ireo mpitari-tolona tsy zoviana amin’ny maro toa an-dRtoa Ihanta Randriamandranto sy Lalatiana Ravololomanana ary iza no mahalala raha ho vonona koa ireo vady andefimandry na zanak’ireo filoham-panjakana efa nitondra hatramin’izay : Thérèse Zafy, Lalao Ravalomanana, Mialy Rajoelina sy Sophie Ratsiraka ? Tsy mitsahatra eo ny lisitra fa ny tsy ampoizina tsy miala amin’ny fiainan-janak’olombelona. Iza àry no vonona handimby ara-bakiteny an-dRanavalomanjaka ka tsy ho anaram-bazivazy homen’ny lehilahy ny vadiny ankehitriny fotsiny io anarana io ?

 
Manohy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT