Vonona hitondra ny anjara birikiny amin’ny famahana ny krizy eto amin’ny firenena ny vehivavy mpikatroka eo anivon’ny Arema.
Tsy mivaona amin’ny hevitry ny filoha mpanorina ny antoko, ny amiraly Didier Ratsiraka, ny fomba hoentiny hanatanterahana izany. Momba izay raharaham-pirenena izay ihany dia tsy hiditra amin’ny fitantanana Tetezamita izy ireo. Sarintsarinteny moa no nampiasainy fa tsy hijapy ny lamasinina Tgv ny vehivavy Arema kanefa tsy hiondrana amin’ny sambon-dRajoelina koa. “Niantso ny kapiten-tsambon’ny FAT saingy tsy hiondrana miaraka aminy izahay rehefa nahita fa “pirate” izy io. Aleonay ihany amiraly”, hoy ireto vehivavy Arema ireto. Momba ny filoha teo aloha Ratsiraka indrindra dia nambaran-dRamisandrazana izay niatrika ny lanonana tao amin’ny Carlton ny sabotsy teo, amin’ny maha mpikambana azy ao amin’ny ankolafy Ratsiraka fa mbola manana ny heriny ary afaka mandray anjara amin’ny famahana ny krizy fa tsy araka ny hieritreretan’ny sasany azy akory.
Notsiahivin’ireo andriambavilanitra mpikatroka Arema ireto koa ny ezaka goavana vitan-dRtoa Céline Ratsiraka tamin’ny fananganana ireo Akaninjaza izay mbola misy 21 no miasa amin’izao fotoana. Nandray anjara tamin’ny alalan’ny fanehoany ny talentany nandritra ny lanonana fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao teny amin’ny carlton, indrindra ireo ankizy taizana amin’ireny. Fantatra fa haverina hampiroboroboana indray ny akaninjaza ka ireo vehivavy Arema isam-paritra no hifanentana momba ny fanatontosana azy ireo. Misy rahateo ny tahirim-bola enti-manatanteraka izany, hoy hatrany izy ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.